Salamo faha 145

1 Hanandratra Anao aho, ry Andriamanitro, mpanjakako; hidera ny anaranao aho mandrakizay doria. 2 Hidera Anao isan'andro; hidera ny anaranao aho mandrakizay doria. 3 Lehibe Yaveh ary mendrika hoderaina indrindra; ny fahalehibiazany dia tsy takatry ny saina. 4 Ny taranaka iray hidera ireo asanao amin'izay mandimby ary hanambara ireo asanao mahery. 5 Hisaintsaina ny lazan'ny voninahitrao sy ireo asanao mahagaga aho. 6 Hiresaka momba ny herin'ny fahatsaran'ireo asanao izy ireo, ary hanambara ny fahalehibiazanao aho. 7 Hanambara ny fitobahan'ny fahatsaranao izy ireo, ary hihira momba ny fahamarinanao. 8 Be famindram-po sady maharim-po Yaveh, tsy mora tezitra ary mampitobaka ny fanekena mahatoky. 9 Tsara amin'ny rehetra Yaveh; manerana ny asany rehetra ny famindrapo masiny. 10 Izay rehetra namboarinao dia hanome fisaorana ho Anao, ry Yaveh; ireo mahatokinao dia hisaotra anao. 11 Ireo mahatokinao dia hanambara ny voninahitry ny fanjakanao, ary hilaza ny herinao izy ireo. 12 Hampahafantarin'izy ireo ny zanak'olombena ireo herin'ny asan'Andriamanitra sy ny hatsaran'ny famirapiratan'ny fanjakany. 13 Ny fanjakanao dia fanjakana maharitra mandrakizay, ary ny fanapahanao dia haharitra hatramin'ny taranaka rehetra. 14 Yaveh manohana izay rehetra lavo ary manangana izay rehetra mitanondrika. 15 Ny mason'ny rehetra miandry Anao; homenao azy ireo ny hanin'izy ireo amin'ny fotoana mety. 16 Mamelatra ny tananao Ianao ary mahafapo ny fanirian'ny zava-manan'aina rehetra. 17 Marina Yaveh amin'ny lalany rehetra ary mpamindrafo amin'izay ataony rehetra. 18 Akaikin'izay rehetra miantso Azy i Yaveh, amin'izay rehetra miantso Azy amin'ny fahamendreham-pitokisana. 19 Manantanteraka ny fanirian'izay manaja Azy Izy; mandre ny fitarainan'izy ireo Izy ary mamonjy azy ireo. 20 Miambina izay rehetra tia azy i Yaveh, fa horavainy izay rehetra ratsy fanahy. 21 Hanambara fiderana an'i Yaveh ny vavako; aoka ny olombelona rehetra hidera ny anarany masina mandrakizay doria.