1 Hoderaina anie Yaveh, vatolampiko, izay nanofana ireo tanako ho amin'ny ady ary ireo ratsan-tanako ho amin'ny ady. 2 Ianao no fanekena mahatokiko sy fiarovana mafiko, tilikambo avoko sy ilay iray izay mamonjy ahy, ampingako sy ilay iray izay hialofako, ilay iray izay manetry ireo firenena eo ambaniko. 3 Ry Yaveh, inona ny olona no ho tsinjonao na ny zanak'olona no hieritreretanao azy? 4 Toy ny fofonaina ny olona; tahaka ny aloka mandalo ireo androny. 5 Aondreo ny lanitra ary midina, ry Yaveh; kasiho ireo tendrombohitra ary ampivoahy setroka. 6 Andefaso tara-pahazavan'ny tselatra ary hamparitaho ireo fahavaloko; mitifira amin'ny zana-tsipìkanao ary ento miverina amin'ny fifanjevona izy ireo. 7 Ahinjiro avy any ambony ny tananao; avoty aho hiala amin'ireo rano maro, amin'ny tanan'ireo vahiny. 8 Milaza lainga ny vavan'izy ireo, ary ny tanan'izy ireo havanana dia fitaka. 9 Hihira fihiram-baovao ho Anao aho, Andriamanitra; amin'ny valiha toro folo no hihirako fiderana ho Anao, 10 iza no hanome famonjena ho an'ireo mpanjaka, iza no namonjy an'i Davida mpanomponao tamin'ny sabatry ny ratsy. 11 Avoty ary afaho ho amin'ny tanan'ireo vahiny aho. Ny vavan'izy ireo miteny lainga, ary ny tanany havanana dia fitaka. 12 Ho toy ireo hazo izay maroroka anie ireo zanakay lahy amin'ny fahatanorany ary ireo zanakay vavy ho toy ny vato fehizoro voasokitra, miendrika toy ireo izay ao an-dapa. 13 Ny trano fitehirizanay anie ho feno ny karazam-bokatra rehetra, ary ny ondrinay anie hamokatra an'arivony sy an'aliny ao amin'ireo sahanay. 14 Dia hanan'anaka maro ireo ombinay. Tsy hisy olona hamaky ireo mandanay; tsy hisy sesin-tany ary tsy hisy fitomaniana eo amin'ny lalanay. 15 Voatahy ny olona izay manana an'izany fitahiana izany; sambatra ny olona izay manana an'i Yaveh ho Andriamaniny.