1 Henoy ny fivavako, ry Yaveh; mihainoa ireo fangatahako. Fa nohon'ny fahatokianao sy ny fahamarinanao, dia mamalia ahy! 2 Aza tsaraina ny mpanomponao, fa eo imasonao dia tsy misy olona marina. 3 Nanenjika ny fanahiko ny fahavaloko; nanenjika ahy hatrany ambanin'ny tany izy; nampitoetra ahy tao amin'ny fahamaizinana toy ireo izay maty efa ela izy. 4 Reraka ato anatiko ny fanahiko; mamoy fo aho. 5 Mamerina an-tsaina ireo andro fahiny aho; misaintsaina ireo asanao rehetra aho; misaintsaina ireo zava-bitanao aho. 6 Mamelatra ireo tanako ho Anao amin'ny vavaka aho; mangetaheta Anao eo amin'ny tany karakaina ny fanahiko. Fiatoana sy fiderana 7 FaingĂ na hamaly ahy, ry Yaveh, fa reraka ny fanahiko. Aza manafina ny tavanao amiko, raha tsy izany dia ho lasa ho toy ireo izay midina any an-davaka aho. 8 Aoka ho reko ny fanekena mahatokinao amin'ny maraina, satria matoky anao aho. Atoroy ahy ny lalana izay tokony handehanako, fa manandratra ny fanahiko aminao aho. 9 Avoty amin'ireo fahavaloko aho, ry Yaveh; mandositra ho eny aminao aho mba hiafina. 10 Ampianaro aho hanao ny sitraponao, fa Andriamanitro Ianao. Aoka ny Fanahy tsaranao hitarika ahy any amin'ny tanin'ny fahitsiana. 11 Ry Yaveh, nohon'ny amin'ny anaranao, hazomy ny fahavelomako; amin'ny fahitsianao ento miala amin'ny fahoriana ny fanahiko. 12 Amin'ny fanekenao mahatoky esory ireo fahavaloko ary aringano ireo fahavalon'ny aiko rehetra, fa mpanomponao aho.