Salamo faha 142

1 Maskilan'i Davida,raha tao anaty zohy izy; Fivavahana. Amin'ny feoko no itarainako fanampiana amin'i Yaveh; amin'ny feoko no iangaviako ny fankasitrahan'i Yaveh. 2 Haidiko Aminy ny fitarainako; lazaiko aminy ireo fahoriako. 3 Rehefa reraka ny fanahiko ato anatiko, Ianao mahalala ny lalako. Amin'ny lalana izay hizorako no nanafenan'izy ireo fandrika ho ahy. 4 Mijery ny ankavanako aho ary mahita fa tsy misy olona miraharaha ahy, tsy misy hirika ho ahy; tsy misy olona miraharaha ny fiainako. 5 Niantso mafy Anao aho, ry Yaveh; ka nanao hoe: "Ianao no fialofako, anjarako eo amin'ny tanin'ny velona. 6 Henoy ny antsoko, fa ory loatra aho; vonjeo amin'ny mpanenjika ahy aho, fa mahery noho izaho izy ireo. 7 Avoahy ao amin'ny tranomaizina ny fanahiko mba hahafako manome fisaorana ny anaranao. Hiangona manodidina ahy ny marina satria Ianao efa tsara tamiko."