Salamo faha 141

1 Salamo nataon'i Davida. Ry Yaveh, mitaraina Aminao aho; faingàna hankaty amiko. Henoy aho raha miantso Anao. 2 Aoka ny fivavahako ho toy ny ditin-kazo manitra eo anatrehanao; aoka ho toy ny sorona hariva ny fanandratako ny tanako. 3 Ry Yaveh, asio mpiambina eo amin'ny vavako; ambeno ny varavaran'ny molotro. 4 Aoka tsy hitsiriritra zava-dratsy ny foko na handray anjara amin'ny fahotana miaraka amin'ny olona izay mitondra tena ho ratsy. Aoka tsy hihinana ireo hanim-pin'izy ireo aho. 5 Aoka ny olo-marina hamely ahy; fa ho fahalemem-panahy amiko izany. Aoka hanitsy ahy izy; ho toy ny diloilo eo amin'ny lohako izany; aoka ny lohako tsy handà fa hanaiky izany. Fa ny fivavahako dia manohitra ny asa ratsin'izy ireo mandrakariva. 6 Hatsipy avy eny amin'ny tampon'ny hantsana ireo mpitarika azy ireo; ho ren'izy ireo fa ny teniko dia mahafinaritra. 7 Dia hilaza izy ireo hoe: "Tahaka ny olona miasa sy miady ny saha, dia efa voaparitaka tany am-bavan'ny fiainan-tsi hita ny taolanay." 8 Aminao tokoa ny masoko, ry Yaveh, Tompo; ao Aminao no hialofako; aza mamela ny fanahiko tsy hisy mpiaro. 9 Arovy amin'ireo fandrika izay efa novelarin'izy ireo ho ahy aho, amin'ny ireo fandrik'ireo mpanao ratsy. 10 Aoka ny ratsy fanahy ho lavo amin'ny aratony raha mandositra aho.