1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Ry Yaveh, vonjeo amin'ny ratsy fanahy aho; arovy amin'ny olona mahery setra aho. 2 Mikasa ratsy ao am-pony izy ireo; manangana ady isan'andro izy ireo. 3 Mandratra toy ny bibilava ny lelan'izy ireo; ny pozin'ny menarana no eo amin'ny molony. Sela. 4 Arovy amin'ny tanan'ny ratsy fanahy aho. ry Yaveh; arovy amin'ny olona mahery setra izay mikasa ny hamandrika ahy aho. 5 Efa nametraka fandrika ho ahy ny mpirehareha; efa nampiely ny harato izy ireo; efa nametraka fandrika ho ahy izy ireo. Sela 6 Hoy aho tamin'i Yaveh: "Andriamanitro Ianao; mihainoa ny tomanin'ny fifonako." 7 Ry Yaveh, Andriamanitro, tena afaka mamonjy ahy Ianao; miaro ny lohako amin'ny andron'ny ady Ianao. 8 Ry Yaveh, aza mamaly ny fanirian'ny ratsy fanahy; aoka tsy hahomby ny teti-dratsin'izy ireo. Sela 9 Ireo izay manodidina ahy dia manatraka ny lohany; aoka ny sompatr'izy ireo ihany no hanarona ny molotr'izy ireo. 10 Aoka hisy vain'afo hilatsaka eo amin'izy ireo; atsipazo ao anaty afo izy ireo, dia ao amin'ny lavaka tsy hita noanoa, ka tsy hiarina intsony. 11 Aoka ny olona mahay vava tsy hanamboatra fitoerana amin'ny tany; aoka ny loza hanosihosy ny ratsy fanahy mba hamonoana azy ho faty. 12 Fantatro fa hitsara ny ory amin'ny indrafo i Yaveh, ary hanome rariny ireo mahantra. 13 Azo antoka fa ny olo-marina dia hisaotra ny anaranao; hiaina eo amin'ny fanatrehanao ireo olona mahitsy.