Salamo faha 139

1 Ry Yaveh, efa nandinika ahy Ianao, ary fantatrao aho. 2 Fantatrao aho rehefa mipetraka sy rehefa mitsangana; takatrao avy eny lavitra ny fisainako. 3 Mandinika ny lalako sy ny fatoriko Ianao; mahafantatra tsara ireo lalako rehetra Ianao. 4 Fa talohan'ny nisian'ny teny teo amin'ny lelako, dia fantatrao tanteraka izany, ry Yaveh. 5 Mihodidina eo anoloako sy ao ahoriako Ianao ary mametraka ny tananao amiko. 6 Ny fahalalana toy izany dia sarotra loatra amiko, sady ambony loatra, ka tsy ho takatro izany. 7 Aiza no hialako amin'ny fanahinao? Aiza no handosirako amin'ny fanatrehanao? 8 Raha miakatra any an-danitra aho, dia any Ianao; raha manao ny fandriako any amin'ny fiainan-tsy hita aho, dia indro, fa any Ianao. 9 Raha manidina amin'ny elatry ny maraina aho ary mandeha mba hitoetra any amin'ny faran'ny ranomasina, 10 ary na any aza mbola hitarika ahy ny tananao, ary ny tananao anakavanana hiazona ahy. 11 Raha niteny aho hoe: "Handrakotra ahy tokoa ny haizina, ary ny hazavana ho tonga alina manodidina ahy," 12 na ny haizina aza dia tsy ho maizaina aminao. Ary ny alina hibaliaka tahaka ny andro, fa aminao dia mitovy ny haizina sy na hazavana. 13 Ianao no namorona ny tao anatiko; noforoninao tao an-kibon-dreniko aho. 14 Hidera Anao aho,fa mahatalanjona no nanaovana ahy. Fantatry ny fanahiko tsara izany. 15 Tsy niafina taminao ny taolako fony natao tao amin'ny miafina aho, fony aho novolavolaina fatratra tany amin'ny lalin'ny tany. 16 Nahita ahy tao am-bohoka Ianao; ny andro rehetra voatondro ho ahy dia efa voarakitra ao amin'ny bokinao na dia mbola tsy nitranga aza ny voalohany. 17 Endrey ny hasarobidin'ny fiheveranao ahy, ry Andriamanitra! Akory ny hamaron'ny fitambaran'izy ireo! 18 Raha andramako isaina ireo, dia maro an'isa nohon'ny fasika. Rehefa mifoha aho, dia mbola miaraka Aminao. 19 Raha mba hamono ny ratsy fanahy Ianao, ry Andriamanitra; dia mialĂ  amiko, ianareo olona mahery setra. 20 Mikomy hanohitra Anao izy ireo ary mamitaka; milaza lainga ireo fahavalonao. 21 Moa ve tsy mankahala, ireo izay mankahala Anao aho, ry Yaveh? Moa ve tsy manao tsinontsinona ireo izay mitsangana hanohitra Anao aho? 22 Mankahala azy ireny tanteraka aho; efa lasa fahavaloko izy ireny. 23 Diniho aho, Andriamanitra o, ary fantaro ny foko; zahao toetra aho ka fantaro ny fisainako. 24 Jereo raha misy fahazaran-dratsy ato anatiko, ary tario amin'ny lalana madrakizay aho.