Salamo faha 138

1 Salamo nataon'i Davida. Hanome fisaorana Anao amin'ny foko manontolo aho; eo anatrehan'ireo andriamanitra no hihirako fiderana ho Anao. 2 Hiankohoka eo amin'ny tempolinao masina aho ary hanome fisaorana ny anaranao ny amin'ny fanekenao mahatoky sy ny amin'ny famendreham-pitokianao. Nanao ny teninao sy ny anaranao ho zava-dehibe mihoatra ny zavatra hafa rehetra Ianao. 3 Tamin'ny andro niantsoako Anao, dia namaly ahy Ianao; nampahery sy nampatanjaka ny fanahiko Ianao. 4 Hanome fisaorana Anao ny mpanjakan'ny tany rehetra, ry Yaveh, fa handre ireo teny avy amin'ny vavanao izy ireo. 5 Eny tokoa, hihira ireo asan'i Yaveh izy ireo, fa lehibe ny voninahitr'i Yaveh. 6 Fa na dia avo aza i Yaveh, dia mbola miahy ireo manetry tena, fa ny mpirehareha kosa dia fantany avy eny lavitra. 7 Na dia mandeha eny afovoan'ny loza aza aho, dia hiaro ny aiko Ianao; haninjitra ny tananao hanohitra ny fahatezeran'ireo fahavaloko Ianao, ary hamonjy ahy ny tananao ankavanana. 8 Momba ahy hatramin'ny farany Yaveh; ny fanekenao mahatoky, ry Yaveh, dia maharitra mandrakizay. Aza mahafoy ireo izay nataon'ny tananao.