Salamo faha 137

1 Teny amoron'ny reniranon'i Babylona izahay no nipetraka sy nitomany raha nahatsiaro ny amin'i Ziona. 2 Teo amin'ny hazomalahelo tany no nanantonanay ireo harpa anay. 3 Tany no nangatahan'ireo mpambabo anay hihira, ary ireo izay naneso anay dia nangataka anay mba hifaly, manao hoe: "Manaova hira iray amin'ireo hiran'i Ziona ho anay." 4 Ahoana no hahafahanay manao ny hira momban'i Yaveh aty amin'ny tany hafa? 5 Raha manadino ny fahatsiarovana anao aho, ry Jerosalema, dia aoka tsy hahay hitendry intsony ny tanako ankavanana. 6 Aoka ny lelako hiraikitra amin'ny lanilaniko raha toa tsy miheritreritra anao intsony aho, raha tsy tia an'i Jerosalema mihoatran'ireo sitrako indrindra aho. 7 Tsarovy, ry Yaveh, izay nataon'ireo Edomita tamin'ny andro naharava an'i Jerosalema. Hoy izy ireo: "Ravao izany, ravao hatrany amin'ny fotony izany." 8 Ry zanaka vavin'i Babylona, tsy ho ela dia ho rava_aoka hotahiana ny olona, izay olona mamaly ny amin'izay efa nataonao anay. 9 Hotahiana anie ny olona, izay maka ary manorotoro ny zanakareo amin'ny vatolampy.