1 Oh, manomeza fisaorana ho an'i Yaveh, fa tsara Izy, fa maharitra mandrakizay fanekeny mahatoky. 2 Oh, manomeza fisaorana ho an'Andriamanitr'ireo andriamanitra, fa maharitra mandrakizay ny fanekeny mahatoky. 3 Oh, manomeza fisaorana ho an'ny Tompon'ny tompo, fa maharitra mandrakizay ny fanekeny mahatoky. 4 Manomeza fisaorana ho Azy fa Izy irery no manao zava-mahagaga lehibe, fa maharitra mandrakizay ny fanekeny mahatoky_ 5 fa tamin'ny fahendrena no nanaovany ny lanitra, fa maharitra mandrakizay ny fanekeny mahatoky. 6 Manomeza fisaorana ho Azy ilay namelatra ny tany ambonin'ny rano, fa maharitra mandrakizay ny fanekeny mahatoky_ 7 ho Azy ilay nanao fahazavana lehibe, fa maharitra mandrakizay ny fanekeny mahatoky. 8 Manomeza fisaorana ho Azy ilay nanome ny masoandro mba hanapaka amin'ny andro, fa maharitra mandrakizay ny fanekeny mahatoky_ 9 ny volana sy ireo kintana mba hanapaka amin'ny alina, fa maharitra mandrakizay ny fanekeny mahatoky. 10 Manomeza fisaorana ho Azy ilay namono ny lahimatoan'i Egypta, fa maharitra mandrakizay ny fanekeny mahatoky_ 11 ary nitondra an'Israely nivoaka avy teo amin'izy ireo, fa maharitra mandrakizay ny fanekeny mahatoky 12 _tamin'ny tanana mahery sy sandry nisandratra, fa maharitra mandrakizay ny fanekeny mahatoky. 13 Manomeza fisaorana ho Azy ilay nanasaraka ny Ranomasina Mena, fa maharitra mandrakizay ny fanekeny mahatoky_ 14 sy nampiapita an'Israely teo anelanelan'izany, fa maharitra mandrakizay ny fanekeny mahatoky_ 15 fa kosa nandrendrika an'i Farao sy ny tafiny tao amin'ny Ranomasina Mena, fa maharitra mandrakizay ny fanekeny mahatoky. 16 Manomeza fisaorana ho Azy ilay nitarika ny olony tany an'efitra, fa maharitra mandrakizay ny fanekeny mahatoky_ 17 sy ho an'ilay namono ireo mpanjaka lehibe, fa maharitra mandrakizay ny fanekeny mahatoky. 18 Manomeza fisaorana ho Azy ilay namono ireo mpanajaka malaza, fa maharitra mandrakizay ny fanekeny mahatoky_ 19 dia i Sihona mpanjakan'ny Amorita_fa maharitra mandrakizay ny fanekeny mahatoky_ 20 sy i Oga mpanjakan'i Basana, fa maharitra mandrakizay ny fanekeny mahatoky. 21 Manomeza fisaorana ho Azy ilay nanome ny tanin'izy ireo ho lova, fa maharitra mandrakizay ny fanekeny mahatoky_ 22 dia lova ho an'Israely mpanompony, fa maharitra mandrakizay ny fanekeny mahatoky_ 23 ho Azy ilay nahatsiaro antsika sy namonjy antsika tamin'ny fahafahambarakantsika, fa maharitra mandrakizay ny fanekeny mahatoky. 24 Manomeza fisaorana ho Azy ilay efa nanome fandresena antsika teo amin'ireo fahavalontsika, fa maharitra mandrakizay ny fanekeny mahatoky_ 25 dia ilay nanome hanina ho an'ny zava-manan'aina rehetra, fa maharitra mandrakizay ny fanekeny mahatoky. 26 Oh, manomeza fisaorana ho an'Andriamanitry ny lanitra, fa maharitra mandrakizay ny fanekeny mahatoky.