Salamo faha 135

1 Miderà an'i Yaveh. Derao ny anaran'i Yaveh. Derao Izy, ianareo ry mpanompon'i Yaveh, 2 ianareo izay mijoro ao an-tranon'i Yaveh, ao an-kianjan'ny tranon'ny Andriamanintsika. 3 Miderà an'i Yaveh, fa tsara Izy; mihirà fiderana ho an'ny anarany, fa mahafinaritra ny manao izany. 4 Fa nisafidy an'i Jakoba ho an'ny tenany Yaveh, ary Israely ho fananany. 5 Fantatrao fa lehibe Yaveh, ary ambonin'ny andriamanitra rehetra ny Tompontsika. 6 Na inona na inona irian'i Yaveh, dia ataony any an-danitra, eto an-tany, eny amin'ireo ranomasina sy ny rano lalina rehetra. 7 Mitondra ny zavona avy lavitra Izy, manao tselatra miaraka amin'ny ranon'orana ary mamoaka ny rivotra avy ao an-trano fitehirizany. 8 Namono ny voalohan-teraky ny Egypta Izy, na an'ny olona na biby. 9 Nandefa famantarana sy fahagagana teo aminareo, Egypta Izy, nanohitra an'i Farao sy ireo mpanompony rehetra. 10 Nanafika firenena maro sy namono mpanjaka mahery Izy, 11 dia Sihona mpanjakan'ny Amorita sy Oga mpanjakan'i Basana ary ireo fanjakana rehetra ao Kanàna. 12 Nomeny antsika ho lova ny tanin'izy ireo, lova ho an'Israely vahoakany. 13 Ny anaranao, ry Yaveh, dia maharitra mandrakizay; ny lazanao, ry Yaveh, dia maharitra manerana ny taranaka rehetra. 14 Fa miaro ny vahoakany Yaveh ary manana fangoraham-po amin'ireo mpanompony. 15 Ny sampin'ireo firenena dia volafotsy sy volamena, asan'ny tanan'ireo olona. 16 Manana vava ireo sampy, nefa tsy miteny; manana maso izy ireo, nefa tsy mahita; 17 manana sofina izy ireo, nefa tsy mandre, ary tsy misy fofon'aina ao ambavan'izy ireo. 18 Ireo izay manao azy ireo dia tahaka azy ireo, tahaka ny olona rehetra izay mahatoky azy ireo. 19 Ry taranak'Israely, misaora an'i Yaveh; ry taranak'i Arona, misaora an'i Yaveh. 20 Ry taranak'i Levy, misaora an'i Yaveh; ianareo izay manome voninahitra an'i Yaveh, misaora an'i Yaveh. 21 Isaorana anie Yaveh any Ziona, Izy izay monina any Jerosalema. Miderà an'i Yaveh.