1 Fihirana fiakarana. Avia, misaora an'i Yaveh, ianareo mpanompon'i Yaveh rehetra, ianareo izay manompo mandritry ny alina ao an-tranon'i Yaveh. 2 Asandrato any amin'ilay toerana masina ny tananareo ary misaora an'i Yaveh. 3 Hitahy anareo avy any Ziona anie Yaveh, Izy izay nanao ny lanitra sy ny tany.