Salamo faha 150

1 Miderà an'i Yaveh. Miderà an'Andriamanitra ao amin'ny fioterany masina; miderà azy eo amin'ny habakabaky ny heriny. 2 Miderà azy amin'ny asany mahery, miderà azy amin'ny fahalebiazany mihoapapana. 3 Miderà Azy amin'ny fitsofana anjomara; miderà Azy amin'ny lokanga sy ny harpa. 4 Miderà Azy amin'ny amponga sy ny dihy; miderà Azy amin'ny valiha sy ny sodina. 5 Miderà Azy amin'ny kipantsona maneno; miderà Azy amin'ny feo mafin'ny kipantsona maneno. 6 Aoka izay manam-pofonaina rehetra hidera an'i Yaveh. Miderà an'i Yaveh.