Salamo faha 131

1 Fihirana fiakarana; nataon'i Davida. Ry Yaveh, tsy mirehareha ny foko na miavonavona ny masoko. Tsy manana fanantenana lehibe ho an'ny tenako aho na miahiahy ny tenako amin'ireo zavatra izay mihoatra ahy. 2 Fa nampionona sy nampangina ny fanahiko tokoa aho; toy ny zaza nisara-nono tamin'ny reniny, ny fanahiko ao anatiko dia toy ny zaza nisara-nono. 3 Ry Israely, manantenĂ  an'i Yaveh ankehitriny ary mandrakizay.