Salamo faha 130

1 Fihirana fiakarana. Niantso Anao tao amin'ny lalina aho, ry Yaveh. 2 Ry Tompo, henoy ny feoko; aoka hihaino tsara ny fangatahako famindram-po ny sofinao. 3 Raha mametra ireo heloko Ianao, ry Yaveh, sia iza no afaka hitsangana, ry Tompo? 4 Fa misy famelàna miaraka Aminao, mba ho voahaja Ianao. 5 Miandry an'i Yaveh aho, miandry ny fanahiko, ary manantena ao amin'ny teniny aho. 6 Miandry ny Tompo bebe kokoa noho ny mpiambina miandry ny maraina ny fanahiko. 7 Ry Israely, manantenà an'i Yaveh. Mpamindra fo Yaveh, ary tena vonona hamela Izy. 8 Izy no hanavotra ny Israely amin'ireo fahotana rehetra.