Salamo faha 129

1 Fihirana fiakarana. Aoka Israely hiteny hoe: "Matetika hatramin'ny fahatanorako dia nanafika ahy izy ireo." 2 "Matetika hatramin'ny fahatanorako dia nanafika ahy izy ireo, nefa tsy nandresy ahy izy ireo. 3 Nangady ny lamosiko ireo mpangady; nataon'izy ireo lava ny vavasany. 4 Marina Yaveh; nanapaka ny tadin'ilay ratsy Izy." 5 Aoka ho alaina baraka avokoa izy rehetra ary hiverina, dia ireo izay mankahala an'i Ziona. 6 Aoka izy ireo ho tahaka ny ahitra eny amin'ny tampon-trano izay malazo mialohan'ny hitomboan'izany, 7 izay tsy afaka mameno ny tanan'ny mpijinja na ny tratran'izay mifehy amboara. 8 Aoka ireo izay mandalo tsy hiteny hoe: "Aoka ho aminao ny tso-dranon'i Yaveh; mitso-drano anao amin'ny anaran'i Yaveh izahay."