Salamo faha 128

1 Fihirana fiakarana. Sambatra ny rehetra izay manome voninahitra an'i Yaveh, izay mandeha amin'ny lalany. 2 Izay omen'ny tananao, dia hankafizinao; ho sambatra sy hambinina ianao. 3 Ho tahaka ny voaloboka mamokatra ao an-tranonao ny vadinao; ho tahaka ny zanak'oliva ireo zanakao raha mipetraka manodidina ny latabatrao izy ireo. 4 Eny, tokoa, ho sambatra ny olona izay manome voninahitra an'i Yaveh. 5 Hitahy anao avy any Ziona anie Yaveh; hahita ny fanambinan'i Jerosalema mandritry ny androm-piainanao rehetra anie ianao. 6 Ho velona anie ianao mba hahita ireo zafikelinao. Ho amin'Israely anie ny fiadanana.