Salamo faha 132

1 Fihirana fiakarana. Ry Yaveh, nohon'ny amin'i Davida dia tsarovy ireo fahoriany rehetra. 2 Tsarovy ny fomba nianianany tamin'i Yaveh, ny fomba nanaovany voady tamin'Ilay Maherin'i Jakoba. 3 Hoy izy hoe: "Tsy hiditra ny tranoko aho na hankao am-pandriako, 4 tsy hanome torimaso ny masoko aho na fialan-tsasatra ho an'ny hodi-masoko 5 mandra-pahitako toerana ho an'i Yaveh, ilay tabernakely ho an'Ilay Maherin'i Jakoba." 6 Indro, nandre momba izany tany Efrata izahay; nahita izany tany amin'ny sahan'i Jara isika. 7 Handeha ho any amin'ny tabernakelin'Andriamanitra isika; hidera any amin'ny fitoeran-tongony isika. 8 Mitsangàna, ry Yaveh, amin'ny toeram-pialan-tsasatrao, Ianao sy ny fiaran'ny herinao! 9 Ho ampiakanjoana tsy fivadihana anie ireo mpisoronao; hihiaka fifaliana anie ireo mahatokinao. 10 Nohon'ny amin'i Davida mpanomponao, dia aza miala amin'ny mpanjakanao voahosotra. 11 Nianiana fianianana azo antoka tamin'i Davida i Yaveh, fianianana azo antoka izay tsy ho foanany hoe: "Hametraka iray amin'ireo taranakao ho eo amin'ny seza fiandriananao Aho. 12 Raha mihazona ny fanekeko sy ireo lalàna izay hampianariko azy ireo zanakao lahy, dia hipetraka eo amin'ny seza fiandriananao mandrakizay ihany koa ny zanak'izy ireo. 13 Azo antoka fa nifidy an'i Ziona i Yaveh, naniry azy ho an'ny toerany Izy. 14 "Ity ny toeram-pitsaharako mandrakizay. Honina eto Aho, fa maniry azy Aho. 15 Ho tahiako amin'ny famatsiana maro izy. Homeko fahafaham-po amin'ny mofo ny mahantrany. 16 Hampiankanjoiko famonjena ireo mpisorony, hihiaka fifaliana ireo mahatokiny. 17 Any no hanaovako tandroka hitsimoka ho an'i Davida sy hametrahako jiro ho an'ny voahosotro. 18 Hampiankanjoiko henatra ireo fahavalony, fa eo aminy kosa no hamirapiratra ny satro-boninahiny."