Salamo faha 122

1 Hira fiakarana, nataon'i Davida. Faly aho rehefa nilaza tamiko izy ireo hoe: "Andeha isika ho ao an-tranon'Yaveh." 2 Ry Jerosalema, ny tongotray dia migadona ato amin'ny vavahadinao! 3 Ry jerosalema, izay namboarina toy tanàna voalamina tsara! 4 Niakatra tany Jerosalema ireo fokon'Yaveh—ireo fokon'Yaveh—mba ho fijoroana vavolombelona ho an'Israely, hanomezana fisaorana ny anaran'Yaveh. 5 Napetraka tany ireo seza fiandrianan'ny fitsarana, seza fiandrianan'ny tranon'Yaveh. 6 Mivavaha ho amin'ny fiadanan'ny Jerosalema! "Aoka izay tianao hanana fiadanana. 7 Aoka hisy fiadanana ao amin'ireo rindriona izay harovanao, ary aoka izy ireo hanana fiadanana ao amin'ny fiarovana mafinao." 8 ho an'ireo rahalahiko sy ireo namako dia hiteny aho hoe: "Ho eo aminareo anie ny fiadanana." 9 Ho an'ny tranon'Yaveh Andriamanintsika, dia hitady ny mahasoa anareo aho.