1 Hira fiakarana. Hibanjina ireo tendrombohitra ny masoko. Izay hiavian'ny famonjeko? 2 Ny famonjeko dia avy amin'i Yaveh, izay nahary ny lanitra sy ny tany. 3 Izy dia tsy hamela ny tongotrao hibolisatra; Izy izay miaro anao dia tsy ho rendrehana. 4 Indro, ny mpiandrin'Israely dia tsy rendrehana na matory mihitsy. 5 Yaveh no mpiandry anao; Yaveh no aloka eo an-kavananao. 6 Tsy hanimba anao ny masoandro ny andro, na ny volana ny alina. 7 Yaveh dia hiaro anao amin'ny loza rehetra, ary hiaro ny ainao Izy. 8 Yaveh dia hiaro anao amin'ny zavatra rehetra ataonao ankehitriny ary mandrakizay