Salamo faha 120

1 Hiran'ny fiakarana. Niantso an'i Yaveh aho tao anatin'ny fahoriako, ka namaly ahy Izy. 2 Avoty ny aiko, ry Yaveh, amin'ireo izay mandainga amin'ny molotra ary mandiso fanantenana amin'ny lelan'izy ireo. 3 Ahoana ny fomba hanasaziany anareo, ary inona no mbola ho ataony anareo, ianareo izay manana lela mpandainga? 4 Hosaziany amin'ny zana-tsipikan'ny mpiady izay norangitina tamin'ny vainafon'anjavidy ianareo. 5 Loza ho ahy fa nipetraka vonjimaika tao Maseka aho; teo aloha aho nipetraka tamin'ireo lain'ny Kedarita. 6 Efa niaina maharitra niaraka tamin'ireo izay mankahala filaminana aho. 7 Izaho dia tia filaminana, saingy rehefa miteny aho, dia ho an'ny ady.