Salamo faha 119

ALEFA. 1 Sambatra ireo izay tsy misy tsiny ny lalany, izay mandeha amin'ny lalàn'i Yaveh. 2 Sambatra ireo izay mitandrina ny didy masiny, izay mitady Azy amin'ny fony ireo manontolo. 3 Tsy mba manao ratsy izy ireo; fa mandeha amin'ny lalany. 4 Nandidy anay hihazona ny fampianaranao Ianao mba hitandremanay tsara izany. 5 Endrey, te ho tafatoetra mafy amin'ny fitandremana ny didinao aho! 6 Dia tsy ho menatra aho raha misaina ny amin'ireo didinao rehetra. 7 Hanolotra fisaorana ho Anao amin'ny fo mahitsy aho rehefa mianatra ny lalà-marinao. 8 Hitandrina ny didinao aho; aza mamela ahy ho irery. BETA. 9 Ahoana no hitandreman'ny tanora ny lalany mba hadio? Amin'ny fankatoavana ny teninao. 10 Amin'ny foko manontolo no hitadiavako Anao; aza mamela ahy hania hiala amin'ny didinao. 11 Noraketiko ato am-poko ny teninao mba tsy hanotako aminao. 12 Deraina Ianao, ry Yaveh; ampianaro ny didinao aho. 13 Tamin'ny vavako no nitoriako ny lalà-marina rehetra izay nasehonao. 14 Miravoravo amin'ny lalan'ny didim-panekenao mihoatra noho ny amin'ny harena rehetra aho. 15 Hisaintsaina ny fampianaranao aho ka hitandrina ny ireo lalanao. 16 Mankamamy ny didinao aho; tsy hanadino ny teninao. GIMELA. 17 Manehoa halemem-panahy amin'ny mpanomponao mba hahavelomako sy hitandremako ny teninao. 18 Sokafy ny masoko mba hahitako ireo zava-mahatalanjona amin'ny lalànao. 19 Vahiny an-tany aho; aza mampiery ny didinao hiala amiko. 20 Torotoron'ny fitadiavana fatratra ny hahalala ny lalà-marinao mandrakariva ny faniriako. 21 Mananatra ny mpirehareha, izay voaozona, ka maniasia miala amin'ny didinao Ianao. 22 Alao amin'ny fahafam-baraka sy ny henatra aho, fa nanoa ny didim-panekenao aho. 23 Na dia manao teti-dratsy ka manendrikendrika ahy aza ireo mpanapaka, dia misaintsaina ny lalànao ny mpanomponao. 24 Ny didim-panekenao no mamiko indrindra, ary ireo no mpanolo-tsaina ahy. DALETA. 25 Miraikitra amin'ny vovoka ny aiko! Omeo fiainana amin'ny teninao aho. 26 Nambarako taminao ny lalako, dia namaly ahy Ianao; ampianaro ny didinao aho. 27 Ataovy mahatakatra ny lalan'ny fampianaranao aho, mba hahafahako mandinika ny fampianara-mahagaganao. 28 Difotry ny alahelo aho! Atanjaho amin'ny teninao aho. 29 Esory hiala amiko ny lalan'ny fitaka; ampianaro ahy am-pahasoavana ny lalànao. 30 Nofidiako ny lalan'ny fahatokiana; efa nitandrina ny lalà-marinao teo anatrehako lalandava aho. 31 Ireo didim-panekenao no ifikirako; ry Yaveh, aza avela hangahiahy aho. 32 Hihazakazaka eo amin'ny lalan'ny didinao aho, fa ianao no manitatra ny foko hanao izay. HE. 33 Ampianaro ny lalan'ny didinao aho, ry Yaveh, dia ho tandremako hatramin'ny farany izany. 34 Omeo fahazavan-tsaina aho, dia hitandrina ny lalànao; izany no ho saintsainiko amin'ny foko manontolo. 35 Tariho amin'ny lalan'ny didinao aho, fa mamiko ny mandeha amin'izany. 36 Ampizory amin'ny didim-panekenao ny foko ary lavitry ny harena tsy marina. 37 Ahodino ny masoko tsy hijery zava-poana; velombelomy amin'ny lalanao indray aho. 38 Tanteraho ho an'ny mpanomponao ny fampanantenanao izay nataonao tamin'ireo izay manaja Anao. 39 Esory lavitra ny faniratsirana atahorako mafy, fa tsara ny fitsarana marinao. 40 Indro, naniry fatratra ny fampianaranao aho; velombelomy amin'ny fahamarinanao aho. VAO. 41 Yaveh ô, omeo ahy ny fitiavanao tsy mety levona— ny famonjenao, araka ny fampanantenanao; 42 dia ho voavaliko ilay iray izay manamavo ahy, fa ny teninao no hitokiako. 43 Aza esorina amin'ny vavako ny teny fahamarinana, fa efa niandry ny lalà-marinao aho. 44 Hitandrina ny lalànao hatrany aho, mandrakizay doria. 45 Andeha am-pilaminana aho, fa mitady ny fampianaranao. 46 Hilaza momba ny didy masinao eo anatrehan'ireo mpanjaka aho ka tsy mba ho menatra. 47 Mamiko ny didinao, izay lalaiko fatratra. 48 Hanandratra ny tanako ho amin'ny didinao aho, izay tiako; hisaintsaina ny lalànao aho. ZAINA. 49 Tsarovy ny fampanantenanao tamin'ny mpanomponao satria nomenao fanantenana aho. 50 Izao no fiononana ho ahy amin'ny fahoriako: ny fampanantenanao no mbola nahavelona ahy. 51 Nanesoeso ahy ny mpirehareha, kanefa tsy mba niala tamin'ny lalànao aho. 52 Nieritreritra momba ny lalà-marinao fahizay aho, ry Yaveh, ka mampahery ny tenako. 53 Nihazona ahy ny fahatezerana mahamay nohon'ny ratsy fanahy izay mandà ny lalànao. 54 Ireo didinao no hirako tao amin'ny trano izay honenako vetivety foana. 55 Misaintsaina ny anaranao mandritra ny alina aho, ry Yaveh, ka mitandrina ny lalànao. 56 Izany no fahazarako satria nitandrina ireo fampianaranao aho. HETA. 57 Yaveh no anjarako; efa ninia ny hitandrina ny teninao aho. 58 Mitady fatratra ny sitrakao amin'ny foko manontolo aho; miantrà ahy, araka ny nampanantenain'ny teninao. 59 Nandinika ny lalako aho ary nampivily ny tongotro ho eo amin'ny didim-panekenao. 60 Maika aho sady tsy mitaredretra amin'ny fitandremana ny didinao. 61 Naningotra ahy ny tadin'ny ratsy fanahy; fa tsy nanadino ny lalànao aho. 62 Amin'ny sasak'alina no hitsanganako hanome fisaorana Anao nohon'ny lalà-marinao. 63 Naman'ireo rehetra izay manaja Anao aho, dia ireo rehetra izay mitandrina ny fampianaranao. 64 Heniky ny fanekena mahatokinao ny tany, ry Yaveh; ampianaro ny didinao aho. TETA. 65 Nanao soa tamin'ny mpanomponao Ianao, ry Yaveh, tamin'ny alalan'ny teninao. 66 Ampianaro ahy ny fahaiza-manavaka tsara sy ny fahazavan-tsaina, fa efa nino ny didinao aho. 67 Talohan'ny nampahoriana ahy dia nania aho, fa ankehitriny dia mitandrina ny teninao aho. 68 Tsara Ianao, ary Ianao ilay iray izay manao ny tsara; ampianaro ny didinao aho. 69 Naningotra ahy tamin'ny lainga ny mpiavonavona, saingy mitandrina ny fampianaranao amin'ny foko manontolo aho. 70 Mihamafy ny fon'izy ireo, fa mamiko ny lalànao. 71 Soa ho ahy ny nijaliako mba hianarako ny didinao. 72 Ny fampianarana avy amin'ny vavanao dia sarobidy lavitra noho ny volamena sy volafotsy madinika an'arivony ho ahy. JODA. 73 Ny tananao no nanao sy namolavola ahy; omeo fahazavan-tsaina aho mba hianarako ny didinao. 74 Ireo izay manaja Anao dia ho faly raha mahita ahy satria amin'ny teninao no ahitako fanantenana. 75 Fantatro, ry Yaveh, fa marina ny lalànao, ary tamin'ny fahatokiana no nampahorianao ahy. 76 Aoka ny fanekena mahatokinao no hampahery ahy, araka ny nampanantenanao tamin'ny mpanomponao. 77 Menehoa fangorahana amiko mba ho velona aho, fa ny lalànao no mamiko. 78 Aoka ho menatra ny mpirehareha, fa nanendrikendrika ahy izy ireo; fa izaho kosa dia hisaintsaina ny fampianaranao. 79 Hitodika amiko anie ireo izay manaja anao; dia ireo izay mahafantatra didim-panekenao. 80 Tsy hisy tsiny anie ny foko nohon'ny lalàna mba tsy ho menatra aho. KAFA. 81 Ketraky ny fiandrasana fatratra ny hamonjenao ahy aho! Ao amin'ny teninao no hananako fanantenana. 82 Maniry fatratra ny hahita ny fampanantenanao ny masoko; rahoviana Ianao no hampionona ahy? 83 Fa nanjary tahaka ny sinin-divay hoditra anaty setroka aho; fa tsy mba manadino ny lalànao aho. 84 Ho mandra-pahoviana no hiaretan'ny mpanomponao an'izao; rahoviana Ianao vao hitsara ireo izay manenjika ahy? 85 Nihady lavaka ho ahy ny mpirehareha, sady nanohitra ny lalànao. 86 Azo ianteherana ny didinao rehetra; manenjika ahy amin'ny tsy antony ireo olona ireo; ampio aho. 87 Efa saiky nanapitra ny aiko tety an-tany ireo, saingy tsy mahafoy ny fampianaranao aho. 88 Amin'ny fitiavanao tsy mivadika, velomy aho, mba hankatoavako ny didinao. LAMEDA. 89 Yaveh o, mitoetra mandrakizay ny teninao; miorina mafy any an-danitra ny teninao. 90 Maharitra ho an'ny taranaka rehetra ny fahatokianao; Ianao no nanorina ny tany, ary mitoetra izany. 91 Mitohy mandrak'ankehitriny ny zavatra rehetra, araka izay voalazanao ao amin'ny lalà-marinao, fa mpanomponao ny zavatra rehetra. 92 Raha tsy sitrako ny didinao, dia efa matin'ny fahoriako aho tahaka izay. 93 Tsy ho adinoiko mandrakizay ny fampianaranao, fa tamin'ireo no namelomanao ahy. 94 Anao aho; vonjeo aho, fa mikatsaka ny fampianaranao. 95 Mivonona hamotika ahy ny ratsy fanahy, fa hikatsaka ny hahalala ny didim-panekenao aho. 96 Hitako fa misy fetrany avokoa ny zava-drehetra, fa midadasika, tsy misy fetra ny didinao. MEMA. 97 Endrey ny fitiavako ny lalànao! Izany no saintsainiko tontolo andro. 98 Mahendry ahy mihoatra ireo fahavaloko ny didinao, fa miaraka amiko mandrakariva ny didinao. 99 Manana fahazavan-tsaina mihoatra ireo mpampianatro rehetra aho, fa misaintsaina ny didim-panekenao. 100 Mahatakatra mihoatra ireo izay be taona no izaho aho; izany dia satria nitandrina ireo fampianaranao aho. 101 Niaro ny tongotro hiala amin'ny lalan-dratsy rehetra aho mba hitandremako ny teninao. 102 Tsy nivily lalana niala tamin'ny lalà-marinao aho, fa Ianao no nampianatra ahy. 103 Endrey ny hamamin'ny teninao raha andramako, eny, mamy mihoatra ny tantely amin'ny vavako! 104 Amin'ny fampianaranao no ahazoako fahaiza-manavaka; noho izany dia halako ny lalan-diso rehetra. NONA. 105 Fanilo ho an'ny tongotro ary jiro ho an'ny lalako ny teninao. 106 Efa nianiana aho ary nohamafisiko izany, fa hitandrina ny lalà-marinao aho. 107 Tena ory tokoa aho; velomy aho, ry Yaveh, araka izay nampanantenainao tamin'ny teninao. 108 Yaveh o, mba ekeo re ny fanati-tsitrapo avy amin'ny vavako, ary ampianaro ny lalà-marinao aho. 109 Eo an-tanako lalandava ny aiko, kanefa tsy mba manadino ny lalànao aho. 110 Namela-pandrika ho ahy ny ratsy fanahy, fa tsy naniasia hiala amin'ny fampianaranao aho. 111 Ambarako ho lovako mandrakizay ny didim-panekenao. 112 Tafatoetra amin'ny fanoavana ny didinao mandrakizay hatramin'ny farany indrindra ny foko. SAMEKA. 113 Halako ireo miroroa-saina, fa tiako ny lalànao. 114 Ianao no toerana fiafenako sy ampingako; miandry ny teninao aho. 115 Mialà amiko, ianareo ry mpanao ratsy, mba hitandremako ny didin'Andriamanitro. 116 Tohano amin'ny alalan'ny teninao aho mba ho velona ka tsy ho menatra amin'ny fanantenako. 117 Tohano aho, dia hiadana; hisaintsaina ny lalànao mandrakariva aho. 118 Lavinao ireo rehetra maniasia miala amin'ny didinao, fa mpamitaka sady tsy azo itokiana ireny olona ireny. 119 Esorinao tahaka ny tain-drendrika ny ratsy fanahin'ny tany rehetra; noho izany dia tiako ny didy masinao. 120 Mangovingovitry ny tahotra Anao ny vatako, ary matahotra ny lalà-masinao aho. AINA. 121 Manao izay rariny sy marina aho; aza mahafoy ahy ho any amin'ny mpampahory ahy. 122 Omeo antoka ny fanambinan'ny mpanomponao; aza avela hampahory ahy ny mpirehereha. 123 Miha-reraka ny masoko eo am-piandrasana ny famonjenao sy ny teny marinao. 124 Asehoy ny mpanomponao ny fanekena mahatokinao, ary ampianaro ny didinao aho. 125 Mpanomponao aho; omeo fahazavan-tsaina aho mba hahalalako ny didim-panekenao. 126 Fotoana hiasan'i Yaveh izaho, fa nandika ny lalànao ny olona. 127 Tiako mihoatra noho ny volamena ny didinao, mihoatra noho ny volamena tsara indrindra. 128 Noho izany dia manaraka tsara ny fampianaranao rehetra aho, ary halako ny lalam-pitaka rehetra. PE. 129 Mahafinaritra ny fitsipikao, izany no antony hankatoavako ireo. 130 Ny fampiharihariana ny teninao no manome fahazavana; manome fahazavan-tsaina ho an'izay tsy nampianarina izany. 131 Sokafako ny vavako ka misanasana, fa maniry mafy ny didinao aho. 132 Mitodiha amiko ary mamindrà fo amiko, araka ny ataonao mandrakariva amin'ireo izay tia ny anaranao. 133 Ampizory amin'ny teninao ny tongotro; aza avela hisy fahotana hanapaka ahy. 134 Avoty amin'ny fampahorian'ny olombelona aho mba hitandremako ny fampianaranao. 135 Aoka hamirapiratra amin'ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny didinao. 136 Ranomaso mandriaka no miraradraraka amin'ny masoko satria tsy mitandrina ny lalànao ny olona. TSADE. 137 Marina Ianao, ry Yaveh, ary rariny ny didinao. 138 Nomenao am-pahamarinana sy am-pahatokiana ny didim-panekenao. 139 Nandravarava ahy ny hatezerana satria manadino ny teninao ny mpifanandrina amiko. 140 Efa voazaha-toetra tsara ny teninao, ary tian'ny mpanomponao izany. 141 Tsy dia misy dikany aho sady namavoina, kanefa tsy mba manadino ny fampianaranao aho. 142 Marina mandrakizay ny fitsaranao, ary mendri-pitokiana ny lalànao. 143 Na nahazo ahy aza ny fahoriana sy ny fangirifiriana, dia mbola mamiko hatrany ny didinao. 144 Marina mandrakizay ny didim-panekenao; omeo fahazavan-tsaina aho mba ho velona. KOFA. 145 Nihiakiaka tamin'ny foko manontolo aho hoe: "Valio aho, ry Yaveh, dia hitana ny lalànao. 146 Miantso Anao aho; vonjeo aho, dia hitandrina ny didim-panekenao." 147 Mifoha mialohan'ny mangiran-dratsy aho ary mihiaka famonjena. Ao amin'ny teninao ny fanantenako. 148 Mihiratra mialohan'ny hiovan'ny fiambenan'ny alina ny masoko mba hisaintsainako ny teninao. 149 Mandrenesa ny feoko amin'ny fanekana mahatokinao; velomy aho, ry Yaveh, araka ny nampanantenainao tao amin'ny lalà-marinao. 150 Miha-manakaiky ahy ireo izay manenjika ahy, saingy lavitry ny lalànao ireo. 151 Akaiky Ianao, ry Yaveh, ary azo itokiana ny didinao rehetra. 152 Nianatra avy tamin'ny didim-panekenao izay napetrakao tamin'ny toerany mandrakizay hatry ny elabe aho. RESY. 153 Jereo ny fahoriako ka ampio aho, fa tsy mba manadino ny lalànao aho. 154 Misoloa vava ahy ka avoty aho; tano aho, araka izay nampanantenainao tamin'ny teninao. 155 Lavitra an'ireo rasty fanahy ny famonjena, fa tsy tia ny didinao ireo. 156 Lehibe ny famindram-ponao, ry Yaveh o; velomy aho, araka ny ataonao mandrakariva. 157 Maro ny mpanenjika ahy sy ny fahavaloko, kanefa tsy niala tamin'ny didim-panekenao aho. 158 Feno rikoriko ny fijeriko an'ireo mpamadika satria tsy mitandrina ny teninao izy ireo. 159 Endrey ny fitiavako ny fampianaranao; velomy aho, ry Yaveh, araka ny nampanantenainao tamin'ny fanekena mahatokinao. 160 Fahamarinana no loharanon'ny teninao; maharitra mandrakizay ny lalà-marinao tsirairay. SINA. 161 Manenjika tsy ahoan-tsy ahoana ireo andriana; dia mangorohoro ny foko, matahotra ny tsy hanoa ny teninao. 162 Miravoravo amin'ny teninao tahaka ny olona iray izay mahazo babo lehibe aho. 163 Halako sady hamavoiko ny fitaka, fa tiako ny lalànao. 164 Impito isan'andro no hiderako Anao nohon'ny lalà-marinao. 165 Fiadanana lehibe no hananan'ireo izay tia ny lalànao; tsy misy mahatafintohina azy ireo. 166 Miandry ny famonjenao aho, ry Yaveh, ary manoa ny didinao. 167 Mitandrina ny didy masinao aho, ary tiako fatratra ireo. 168 Mihazona ny fampianaranao sy ny didy masinao aho, fa fantatrao izay rehetra ataoko. TAV. 169 Mihainoa ny antso vonjiko, ry Yaveh; omeo fahazavan-tsaina ao amin'ny teninao aho. 170 Ho tonga eo aminao anie ny fangatahako; ampio aho, araka ny efa nampanantenainao tamin'ny teninao. 171 Hiboiboika fiderana anie ny molotro, fa ampianarinao ahy ny didinao. 172 Aoka ny lelako hihira ny amin'ny teninao, fa marina avokoa ny didinao rehetra. 173 Hanampy ahy anie ny tananao, fa nifidy ny fampianaranao aho. 174 Maniry fatratra ny fanavotanao aho, ry Yaveh, ary ny lalànao no mamiko. 175 Ho velona anie aho ka hidera anao, ary hanampy ahy anie ny lalà-marinao. 176 Efa nirenireny tahaka ny ondry very aho; tadiavo ny mpanomponao, fa tsy mba nanadino ny didinao aho.