1 Misaora an'i Yaveh, fa tsara Izy, satria ny fanekeny mahatoky dia maharitra mandrakizay. 2 Aoka Israely hiteny hoe: "Ny fanekeny mahatoky dia maharitra mandrakizay." 3 Aoka ny ankohonan'i Arona hilaza hoe: "Ny fanekeny mahatoky dia maharitra mandrakizay," 4 Aoka ireo izay manompo an'i Yaveh hilaza hoe: "Ny fanekeny mahatoky dia maharitra mandrakizay." 5 Niantso an'i Yaveh tao anaty fahoriako aho; namaly ahy i Yaveh ary nanafaka ahy. 6 Momba ahy Yaveh: tsy hatahotra aho; hanao inona amiko ny olombelona? 7 Mpamonjy eo anilako i Yaveh; hahita fandresena amin'ireo izay mankahala ahy aho. 8 Tsara kokoa ny mialoka eo amin'i Yaveh toy izay mametraka fitokiana amin'ny olombelona. 9 Tsara kokoa ny mitoetra ao amin'i Yaveh toy izay mametraka fitokiana amin'ny andrian-dahy. 10 Ny firenena rehetra nanodidina ahy; ho tapahiko amin'ny anaran'i Yaveh izy ireo. 11 Nanodidina ahy izy ireo; eny, nanodidina ahy izy ireo; ho tapahiko amin'ny anaran'i Yaveh izy ireo. 12 Nanodidina ahy toy ny tantely izy ireo; nanjavona haingana toy ny afo teo amin'ny tsilo izy ireo; ho tapahiko amin'ny anaran'i Yaveh izy ireo. 13 Nanafika ahy izy ireo mba handavo ahy, saingy nanampy ahy i Yaveh. 14 Yaveh no heriko sy fifaliako, ary Izy ilay tokana mpanavotra ahy. 15 Heno ao amin'ny lain'ny fahamarinana ny hiakam-pifalian'ny fandresena; nandresy ny tanan-kavanan'i Yaveh. 16 Nasandratra ny tanan-kavanan'i Yaveh; nandresy ny tanan-kavanan'i Yaveh. 17 Tsy ho faty aho, fa ho velona ary hanambara ireo asan'i Yaveh. 18 Efa nosazian'i Yaveh mafy aho; saingy tsy nanolotra ahy ho faty Izy. 19 Sokafy ho ahy ireo vavahadin'ny fahamarinana; hiditra ao amin'ireo aho ary hisaotra an'i Yaveh. 20 Io no vavahadin'i Yaveh; ny marina no miditra ao. 21 Hisaotra Anao aho, satria namaly ahy Ianao, ary tonga famonjeko Ianao. 22 Ilay vato izay nolavin'ny mpanao trano dia tonga vato fehizoro. 23 Izany no nataon'i Yaveh; mahagaga eo imasontsika izany 24 Ity ilay andro izay nataon'i Yaveh; hifaly sy ho ravoravo amin'izany isika. 25 Miangavy ry Yaveh, omeo fandresena izahay! Miangavy ry Yaveh, omeo fahombiazana izahay! 26 Ho tahiana izy izay ho avy amin'ny anaran'i Yaveh; ho tahianay amin'ny tranon'i Yaveh ianao. 27 Yaveh no Andriamanitra, ary efa nanome fahazavana ho anay Izy; namatotra ilay sorona tamin'ireo tady teo amin'ireo tandroky ny alitara. 28 Ianao no Andriamanitro, ary hisaotra Anao aho; Ianao no Andriamanitro; hasandratro Ianao. 29 Oh, misaora an'i Yaveh; fa tsara Izy; satria maharitra mandrakizay ny fanekeny mahatoky.