1 Derao i Yaveh, ianareo firenena rehetra; asandrato Izy, ianareo vahoaka rehetra. 2 Satria ny fanekena mahatokiny dia lehibe eo anatrehantsika, ary maharitra mandrakizay ny fahamendreham-pitokian'i Yaveh. Derao i Yaveh.