1 Tiako i Yaveh satria mandre ny feoko sy ireo talahoko famindram-po Izy. 2 Satria nihaino ahy Izy, hiantso Azy aho raha mbola velona. 3 Namatotra ahy ireo tadin'ny fahafatesana, ary ny fandriky ny Fiainan-tsy hita dia nanatrika ahy, nahatsiaro fangirifiriana sy alahelo aho. 4 Dia niantso ny anaran'i Yaveh aho nanao hoe: "Miangavy ry Yaveh, avoty ny aiko." 5 Yaveh dia be famindram-po ary tsy mitanila; ny Andriamanintsika dia be fangoraham-po. 6 Yaveh dia miaro ny bado; nambaniana aho, ary namonjy ahy Izy. 7 Afaka miverina any amin'ny toerana fitsaharana ny fanahiko, satria Yaveh efa nanao soa tamiko. 8 Fa Ianao nanavotra ny aiko tamin'ny fahafatesana, ny masoko tamin'ny ranomaso, ary ny tongotro tsy ho tafintohina. 9 Hanompo an'i Yaveh any amin'ny tanin'ny velona aho. 10 Nino Azy aho, na rehefa niteny aza aho hoe: "Tena ory aho." 11 Niteny tsy amin-piheverana aho hoe: "Mpandainga ny olona rehetra." 12 Ahoana no ahafahako manefa an'Yaveh ny hatsaram-panahiny rehetra tamiko? 13 Hatsangako ny kapoaky ny famonjena, ary antsoiko ny anaran'i Yaveh. 14 Ho tanterahiko ireo voadiko nataoko tamin'i Yaveh teo anatrehan'ny vahoakany rehetra. 15 Sarobidy teo imason'i Yaveh ny fahafatesan'ireo olo-masiny. 16 Eny tokoa, ry Yaveh, mpanomponao aho; mpanomponao aho; zanaka lahin'ny mpanompo vavinao; nesorinao ireo fatotro. 17 Hanolotra ny sorom-pisaorana ho Anao aho ary hiantso ny anaran'i Yaveh. 18 Ho tanterahiko ireo voadiko tamin'i Yaveh teo anatrehan'ny vahoakany rehetra, 19 teo an-tokontanin'ny tranon'i Yaveh, teo aminao, ry Jerosalema. Derao Yaveh.