1 Fihirana fiakarana. Aminao no hanandratako ny masoko, Ianao izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana any an-danitra. 2 Indro, raha mijery ny tanan'ny tompony ny mason'ireo mpanompo lahy, raha mijery ny tanan'ny tompovaviny ny mason'ireo mpanompo vavy, dia mijery an'i Yaveh Andriamanintsika ny masontsika mandra-pamindràny fo amintsika. 3 Manàna famindram-po aminay, ry Yaveh, manàna famindram-po aminay, fa feno fanalam-baraka izahay. 4 Mihoatra lavitra noho ny feno ny faneson'ny mpanivaiva sy ny fanamavoan'ny mpirehareha aminay.