1 Aza mialona ireo izay ratsy, na maniry ny hiombona amin'izy ireo, 2 satria miteti-dratsy hanao herisetra ny fon'izy ireo ary milaza fahoriana ny molotr'izy ireo. 3 Amin'ny fahendrena no ananganana trano ary amin'ny fahazavan-tsaina no anorenana azy. 4 Amin'ny fahalalana no hamenoana harena sarobidy sy mahafinaritra rehetra ireo efitrano. 5 Mahery ny mpiadin'ny fahendrena, ary ny olon'ny fahalalana dia mampitombo ny heriny; 6 fa amin'ny torolalana hendry no ahafahanao miady ny adinao ary amin'ireo mpanolo-tsaina maro no misy fandresena. 7 Avo loatra ho an'ny adala ny fahendrena; tsy manoka-bava eo am-bavahady izy. 8 Misy olona mitetika hanao ratsy— antsoin'ny olona hoe tompon'ny tetika izy. 9 Ny tetiky ny adala dia fahotana ary ny olona dia manao tsinontsinona ny mpaniratsira. 10 Raha tonga malemin'ny tahotra amin'ny androm-pahoriana ianao, dia kely ny herinao. 11 Avoty ireo izay nalaina hovonoina ary arovy ireo izay mivembena eo amin'ny famonoana. 12 Raha miteny ianao hoe: "Indro, tsy nahalala na inona na inona momba izany izahay", moa ve ilay iray izay mandanja ny fo tsy hahatakatra izay lazainao? Ilay iray izay miambina ny ainao, moa ve izy tsy mahalala izany? Moa ve Andriamanitra tsy manome ny tsirairay avy izay mendrika azy? 13 Ry zanako, mihinàna tantely satria tsara izany, satria mamy ny tantely mitete amin'ny tohon-tantely raha andramana. 14 Tahaka izany ny fahendrena ho an'ny fanahinao—raha hitanao izany, dia hisy hoavy ary tsy ho foana ny fanantenanao. 15 Aza manotrika tahaka ny olona ratsy fanahy izay manafika ny tranon'ny olo-marina. Aza mandrava ny tranony! 16 Fa lavo impito ny olo-marina fa tafarina ihany, fa lavo amin'ny loza ny olona ratsy fanahy. 17 Aza mifaly raha lavo ny fahavalonao ary aoka tsy ho ravoravo ny fonao raha tafintohina izy, 18 raha tsy izany dia ho hitan'i Yaveh ary tsy ho ankasitrahany ka ho esoriny aminy ny fahatezerany. 19 Aza matahotra noho ireo mpanao ratsy, ary aza mialona ny ratsy fanahy, 20 fa tsy mba manana hoavy ny olona ratsy ary ny jiron'ny ratsy fanahy dia ho faty. 21 Matahora an'i Yaveh, ary matahora ny mpanjaka, ry zanako; aza miombona amin'ireo izay mikomy amin'izy ireo, 22 fa ho tonga tampoka ny loza ho azy ireo ka iza no mahalala hoe hatraiza ny faharavana izay ho tonga amin'izy roa? 23 Ireto ihany koa ireo fitenin'ny hendry. Tsy tsara fiangarana amin'ny fitsaran-draharaha amin'ny lalàna. 24 Na iza na iza miteny amin'ny ratsy fanahy hoe: "Olo-marina ianao", dia ho ozonin'ireo vahoaka ary ho halan'ireo firenena. 25 Nefa ireo izay manafay ny ratsy fanahy dia hahazo sitraka ary ho tonga amin'izy ireo ny fanomezan-tsoa. 26 Ny olona izay mamaly am-pahamarinana dia manoroka eo amin'ny molotra. 27 Omano ny asanao any ivelany, ary ataovy vonona ho anao any an-tsaha ny zavatra rehetra; aorian'izay, dia amboary ny tranonao. 28 Aza mijoro vavolombelona hanohitra ny mpiara-belona aminao amin'ny tsy antony ary aza mamitaka amin'ny molotrao. 29 Aza miteny hoe: "Ho ataoko aminy izay efa nataony tamiko; ho valiako aminy araka izay efa nataony." 30 Nandalo teny an-tsahan'ny olona kamo aho, niserana tamin'ny tanim-boaloboky ny olona tsy misy saina. 31 Naniry teny rehetra teny ny tsilo; rakotry ny amiana ny tany, ary ireo vaton'ny manda dia rava. 32 Dia nahita aho ka nisaina izany; nijery aho ka nahazo anatra. 33 Haka torimaso kely, faharendrehana kely, toho-tanana kely mba hitsaharana— 34 dia ho avy hanitsaka anao ny fahantrana, ary ireo filànao dia ho tahaka ny miaramila mirongo fiadiana.