1 Rehefa mipetraka hihinana miaraka amin'ny mpanapaka ianao, dia diniho tsara izay eo anoloanao, 2 ary ambano antsy ny tendanao raha olona tia mihinan-kanina be loatra ianao. 3 Aza maniry loatra ny hanim-piny, fa haninin'ny lainga izany. 4 Aza dia miasa mafy loatra hahazoana harena; hendre tsara hahafantaranao ny fotoana hitsaharana. 5 Hamela ny masonao hirehitra amin'izany ve ianao? Ho dify izany, fa ho hari-elatra tahaka ny voromahery tokoa izany ka hanidina eny amin'ny lanitra. 6 Aza mihinana ny hanin'ny olona manao maso ratsy—ary aza maniry ny hanim-piny, 7 fa karazan'olona manisa ny vidin-kanina izy. "Mihinàna ary misotroa!" hoy izy aminao, kanefa tsy aminao ny fony. 8 Haloanao izay kely nohaninao ary ho very foana ny teny fandokanao. 9 Aza miteny eo an-tsofin'ny adala, satria hanamavo ny fahendren'ny teninao izy. 10 Aza manakisaka ny fefy vato fahizay na mananika ny sahan'ny kamboty, 11 fa mahery ny Mpanavotra azy ireny ary Izy no hisolo vava azy ireo hanohitra anao. 12 Ampanekeo fampianarana ny fonao ary teny fahalalana ny sofinao. 13 Aza mitsitsy ny fampianarana tsy ho amin'ny zaza, satria raha manafay azy ianao, dia tsy ho faty izy. 14 Ianao no tsy maintsy hikapoka azy amin'ny tsorakazo ka hamonjy ny fanahiny amin'ny Fiainan-tsy hita. 15 Ry zanako, raha hendry ny fonao, dia ho faly ihany koa ny foko; 16 hiravoravo ny any anatiko rehefa milaza izay marina ny molotrao. 17 Aza avela hialona ireo mpanota ny fonao, fa mitoera amin'ny tahotra an'i Yaveh mandrakariva. 18 Misy tokoa ny ho avy ary tsy ho foana ny fanantenanao. 19 Mihainoa—ianao!—ry zanako, ary hendre ka hampizory amin'ny lalana mahitsy ny fonao. 20 Aza minamana amin'ny mamolava, na amin'ny fatra-pihinan-kena, 21 fa ny mamolava sy ny tendan-kanina ary ireo be torimaso dia hahantra ary ny faharendrehana no hampitafy azy amin'ny voro-damba. 22 Henoy ny rainao niteraka anao ary aza manao tsinontsinona ny reninao rehefa antitra izy. 23 Vidio ny marina, fa aza mivarotra izany; mividiana fahendrena, fampianarana, ary fahazavan-tsaina. 24 Hiravoravo tokoa ny rain'ny olo-marina, ary izay miteraka zaza hendry dia ho faly aminy. 25 Aoka ny rainao sy ny reninao ho faly ary aoka hiravoravo izay niteraka anao. 26 Ry zanako, omeo ahy ny fonao ary aoka ny masonao hitandriana ny lalako. 27 Fa ny vehivavy janga dia lavaka lalina, ary fantsakana tery ny vehivavy ratsy fitondran-tena. 28 Miandriandry tahaka ny mpandroba izy ary mampitombo ny isan'ireo mpamadika eo amin'ny zanak'olombelona. 29 Iza no misy ozona? Iza no manana alahelo? Iza no manana ady? Iza no manana fitarainana? Iza no manana fery tsy ahoan-tsy ahoana? Iza no manana maso mivoara-mena? 30 Ireo izay mifikitra amin'ny divay, ireo izay manandrana ny divay mifangaro. 31 Aza mijery ny divay raha mena izany, rehefa manganohano ao amin'ny kapoaka izany ka miraraka tsimoramora. 32 Amin'ny farany izany dia manaikitra toy ny bibilava ary manindrona toy ny menarana. 33 Hahita zavatra hafahafa ny masonao ary ny fonao hamoaka zava-betaveta. 34 Ho tahaka ny olona izay matory eo amin'ny ranomasina manonja ianao na mandry eo an-tampon'ny andrin-tsambo. 35 "Namely ahy ireny," hoy ianao, "fa tsy voa aho. Nikapoka ahy ireny, fa tsy tsapako izany. Rahoviana aho no hifoha? Hitady ho sotroina hafa indray aho."