1 Aleo misafidy ny laza tsara toy izay be harena ary tsara noho ny volafotsy sy volamena ny sitraka. 2 Ny mpanakarena sy ny mahantra dia samy manana izany—Yaveh no mpahary azy rehetra. 3 Ny olona mailo mahita ny loza ka miafina, fa ny bado kosa mandroso ary mijaly noho izany. 4 Ny valisoan'ny fanetren-tena sy fahatahorana an'i Yaveh dia harena, voninahitra, ary fiainana. 5 Ny tsilo sy ny fandrika no eo amin'ny lalan'ny maditra; fa izay miaro ny ainy dia hanalavitra azy ireo. 6 Ampianaro amin'ny zaza ny lalana tokony alehany ary rehefa lehibe izy dia tsy hiala amin'izany fampianarana izany. 7 Manapaka eo amin'ny ory ny mpanan-karena ary izay mindrana dia ho andevon'izay nampindrana. 8 Izay mamafy ny tsy rariny dia hijinja fahoriana ary halazo ny tsorakazon'ny fahatezerany. 9 Izay manana maso be fiantrana dia hotahina, satria mizara ny mofony amin'ny mahantra izy. 10 Roahy ny mpaniratsira dia ho lasa ny fifandirana; hitsahatra ny ady sy ny fanevatevana. 11 Izay tia fo madio sy izay milaza fahasoavana, dia hanana ny mpanjaka ho namany. 12 Ny mason'i Yaveh dia miambina hatrany ny fahalalana, fa ny tenin'ny mpamadika dia ravainy. 13 Ny olona malaina manao hoe: "Misy liona any an-dalana! Ho faty eny an-kalamanjana aho." 14 Ny vavan'ny vehivavy janga dia lavaka lalina; mihetsika amin'izay rehetra latsaka ao ny fahatezeran'i Yaveh. 15 Miraikitra amin'ny fon'ny zaza ny adalana, saingy ny tsorakazo famaizana hampiala izany. 16 Izay mampahory ny olona mahantra dia mampitombo ny hareny, ary ho tonga amin'ny fahantrana izay manome ny mpanan-karena. 17 Atongilano ny sofinao ary mihainoa ireo tenin'ny hendry ka ampanekeo ny fahalalako ny fonao, 18 satria hahafinaritra anao ireo raha tandremanao ao aminao, raha vonona eo amin'ny molotrao izy rehetra. 19 Ho ao amin'i Yaveh noho izany ny fahatokisanao, mampianatra anao izany aho anio—ianao dia ianao. 20 Moa ve aho tsy efa nanoratra ohabolan'ny fampianarana sy fahalalana teolpolo ho anao, 21 mba hampianarana anao ny marina amin'ireo teny mahatoky ireo, mba hanomezanao valin-teny mahatoky amin'ireo izay naniraka anao? 22 Aza mandroba ny malahelo satria mahantra izy, na manosihosy ny ory eo am-bavahady, 23 fa Yaveh no hisolo vava azy ireo, ary Izy handroba ny ain'ireo izay nandroba azy ireo. 24 Aza misakaiza amin'ny olona izay fehezin'ny fahatezerana ary aza miaraka amin'izay romotra, 25 fandrao ianao hianatra ny fanaony ary haka fandrika ho an'ny fanahinao. 26 Aza mety ho isan'izay maninji-tanana amin'ny fiantohana, na mianto-trosa. 27 Raha tsy manana haloa ianao, inona moa no hahasakana ny olona tsy haka ny fandriana andrianao? 28 Aza manakisaka ny fefy vato fahizay izay efa napetraky ny razanareo. 29 Mahita olona kinga amin'ny asany ve ianao? Hitsangana eo anoloan'ireo mpanjaka izy; tsy hitsangana eo anoloan'ny olona mahazatra izy.