1 Ireto dia mbola ohabolan'i Solomona ihany, izay nadikan'i lehilahin'i Hezekia, mpanjakan'i Joda. 2 Voninahitr'Andriamanitra ny manafin-javatra, fa ny mitady izany no voninahitry ny mpanjaka. 3 Tahaka ny maha-an'ny avo ny lanitra sy ny maha-an'ny lalina ny tany, no maha-tsy takatry ny saina ny fon'ireo mpanjaka. 4 Esory amin'ny volafotsy ny taim-bolafotsy ka afaka hampiasa ny volafotsy amin'ny asa tanany ny mpanao asa amin'ny vy. 5 Dia tahaka izany koa, esory eo amin'ny fanatrehan'ny mpanjaka ny olona ratsy fanahy dia ho apetraka amin'ny fanaovana izay marina ny seza fiandrianany. 6 Aza manome voninahitra ny tenanao eo amin'ny fanatrehan'ny mpanjaka ary aza mitsangana amin'ny toerana voatendry ho an'ny olona ambony. 7 Tsara kokoa raha miteny aminao izy hoe: "Miakara ety," noho ny hanalany baraka anao eo anatrehan'ny olo-manan-kaja iray. 8 Aza entina faingana any amin'ny fitsarana, izay natrehan'ny masonao. Satria inona no ataonao rehefa manao izay ahamenatra anao ny mpiray monina aminao amin'ny farany? 9 Hiadio hevitra eo aminao sy ny mpiray monina aminao ihany ny raharahanao ary aza mamoaka ny tsiambaratelon'ny hafa, 10 raha tsy izany dia hitondra fahamenarana aminao sy tatitra ratsy momba anao ilay naheno anao ka tsy ho laitra ampanginina. 11 Ny paoma volamena eo amin'ny fitoerana volafotsy dia teny nolazaina tamin' ny fotoana mety. 12 Ny peratra volamena na firavaka natao tamin'ny volamena tsara indrindra dia anatra hendry ho an'ny sofina mihaino. 13 Ny iraka mahatoky dia tahaka ny hatsiaky ny oram-panala amin'ny fotoam-pijinjana ho an'ireo izay maniraka azy; mampiverina ny ain'ireo tompony izy. 14 Rahona sy ny rivotra tsy misy orana izay mirehareha amin'ny fanomezana izay tsy nomeny. 15 Amim-paharetana no ahafahana mandresy lahatra ny mpanapaka ary ny lela malefaka dia mety hanapaka taolana. 16 Raha mahita tantely ianao, dia izay ampy ihany hohanina— raha tsy izany, dia hampandoa anao, ny fihinanana betsaka loatra izany. 17 Aza ampidirina matetika loatra ao an-tranon'ny namanao ny tongotrao, mety ho leo anao izy ka hankahala anao. 18 Ny olona izay mijoro vavolombelona tsy marina momba ny namany dia tahaka ny langilangy, na sabatra, na zana-tsipîka maranitra ampiasaina amin'ny ady. 19 Ny olona tsy mahatoky izay itokianao amin'ny fotoan'ny fahoriana dia tahaka ny nify ratsy na tongotra mibolisatra. 20 Toy ny olona iray izay manala ny akanjony amin'ny andro mangatsiaka, na toy ny vinaingitra nararaka teo ambonin'ny sirahazo izay mikalo hira ho an'ny fo mavesatra. 21 Raha noana ny fahavalonao, dia omeo sakafo hohanina izy, ary raha mangetaheta izy dia omeo rano ho sotroina, 22 fa hanambatra vain'afo eo amin'ny lohany ianao ary hamaly soa anao i Yaveh. 23 Tahaka ny hitondran'ny rivotra avaratra orana tokoa, dia hamadika ny endrika ho tezitra ny lela izay milaza tsiambaratelo. 24 Tsara kokoa ny mipetraka eo amin'ny zoron'ny tafon-trano noho ny ao amin'ny trano izay hiraisana amin'ny vady mpiady lava. 25 Toy ny rano mangatsiaka ho an'izay mangetaheta, ny vaovao mahafaly avy any amin'ny firenena lavitra. 26 Tahaka ny loharano voahosihosy sy fantsakana rava ny olo-marina mikoy eo anatrehan'ny olona ratsy fanahy. 27 Tsy tsara ny mihinana tantely be loatra; tahaka ny hoe mitady voninahitra miampy voninahitra izany. [Fanamarihana: Ny dikan-teny amin'izao fotoana dia manana filazana hafa an'io andininy iray sarotra io.] 28 Ny olona tsy manana fahafehezan-tena dia tahaka ny tanàna rava sy tsy misy manda.