1 Tsara kokoa ny olona mahantra izay mandeha amin'ny fahitsiany toy izay olona mivadika amin'ny teniny ary adala. 2 Ary koa, tsy tsara ny manana faniriana tsy misy fahalalana ary izay mihazakazaka mafy loatra dia ho diso lalana. 3 Ny hadalan'ny olona no manimba ny fiainany ka amin'i Yaveh no sosotra ny fony. 4 Mahabe namana ny harena, fa ny olona mahantra kosa dia tafasaraka amin'ireo namany. 5 Ny vavolombelona sandoka dia tsy ho afa-maina ary izay mamoaka lainga dia tsy ho afa-bela. 6 Maro no hila sitraka amin'ny olona malala-tanana ary ny rehetra dia naman'izay manolotra fanomezana. 7 Halan'ny rahalahiny rehetra ny olona mahantra; koa mainka fa ireo namany izay manalavitra azy! Hiantso azy ireo izy, saingy efa lasa izy ireo. 8 Izay nahazo fahendrena dia tia ny ainy; izay mitazona ny fahalalana dia hahita izay tsara. 9 Ny vavolombelona sandoka dia tsy ho afa-maina, fa izay mamoaka lainga kosa dia ho faty. 10 Tsy mety amin'ny adala ny miaina amin'ny harena mahafinaritra— mainka fa ny hanapahan'ny andevo eo amin'ireo andriandahy. 11 Ny fahamalinana mahatonga ny olona tsy ho mora tezitra ary voninahitra ho azy ny tsy mijery ny fahadisoana. 12 Ny fahatezeran'ny mpanjaka dia tahaka ny fieron'ny liona tanora, fa ny sitrany kosa dia tahaka ny ando amin'ny ahitra. 13 Ny zanaka adala dia faharavana ho an'ny rainy ary ny vady mpifanditra dia toy ny rano mitete mandrakariva. 14 Ny trano sy harena no lova avy amin'ny ray aman-dreny, fa vady hendry kosa no avy amin'i Yaveh. 15 Ny hakamoana dia mandatsaka ny olona anaty torimaso lalina, fa izay tsy vonon-kiasa kosa dia ho noana. 16 Izay mankatoa ny didy dia miaro ny ainy, fa ny olona izay tsy mihevitra ny lalany kosa dia ho faty. 17 Ireo izay rehetra miantra ny mahantra dia mampisambotra an'i Yaveh ary honerany izy noho ireo izay nataony. 18 Fehezo ny zanakao lahy dieny misy fanantenana ary aza entim-paniriana hamono azy. 19 Ny olona be kizitina dia tsy maintsy manefa ny sazy; raha mamonjy azy ianao, dia tsy maintsy hamerina izany fanindroany ianao. 20 Henoy ny torohevitra ary ekeo ny fampianarana, mba ho tonga hendry ianao any amin'ny fiafaran'ny fiainanao. 21 Maro ny fikasana ao am-pon'ny olona, fa ny tanjon'i Yaveh no haharitra. 22 Ny tsy fivadihana no irian'ny olona ary tsara kokoa ny olona mahantra noho ny mpandainga. 23 Ny fanomezam-boninahitra an'i Yaveh no mitarika ny olona amin'ny fiainana; izay rehetra manana izany dia ho afapo ary tsy ampahorian'ny ratsy. 24 Ny kamo dia handevina ny tanany ao an-dovia; tsy hamerina hampiakatra izany ao am-bavany akory izy. 25 Veleso ny mpaniratsira, dia ho mailo ny olona bado; anaro izay manan-tsaina, dia hahazo fahalalana izy. 26 Izay mandroba ny rainy ary mandroaka ny reniny dia zanaka mitondra henatra sy fahafaham-baraka. 27 Raha mitsahatra ny mihaino fampianarana ianao, ry zanako lahy, dia hania hiala amin'ireo tenin'ny fahalalana ianao. 28 Ny vavolombelona mpivadika dia maniratsira ny fitsarana ary ny vavan'ny ratsy fanahy mitelina heloka. 29 Vonona ho an'ireo mpaniratsiratsira ny fanamelohana ary ny kapoka ho amin'ny lamosin'ny adala.