Toko faha 20

1 Ny divay dia mpaniratsira ary ny zava-pisotro mahery dia mpitabataba; izay voavily lalana amin'ny fisotroana amin'ny lalan-diso dia tsy hendry. 2 Ny tahotra ny mpanjaka dia tahaka ny tahotra ny liona tanora izay mierona; izay mampahatezitra azy dia manary ny ainy. 3 Voninahitra ho an'ny rehetra ny misoroka fifandirana, fa ny adala rehetra dia miantsampy amin'ny fiadian-kevitra. 4 Ny olona kamo dia tsy miasa tany amin'ny lohataona; mitady vokatra izy amin'ny fararano fa tsy hahazo na inona na inona. 5 Ny tanjona ao am-pon'ny olona dia tahaka ny rano lalina, fa ny olona izay manam-pahalalana kosa hamoaka azy. 6 Maro ny olona milaza fa tsy mpivadika, saingy iza no afaka hahita olona mahatoky? 7 Ny olona marina dia mandeha amin'ny fahitsiana, ary ireo zanany izay mandimby azy aoriany dia hotahiana. 8 Ny mpanjaka izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianany manatanteraka ireo adidin'ny mpitsara dia manivana ireo ratsy rehetra izay eo alohany amin'ny masony. 9 Iza no afaka miteny hoe: "Efa nihazona ny foko hadio aho; afaka amin'ireo otako ve aho"? 10 Ireo mizana tsy mitovy lanja sy ireo fandrefesana tsy mitovy— dia samy halan'i Yaveh. 11 Na ny tanora aza dia fantatra amin'ny ataony, raha madio sy mahitsy ny fitondran-tenany. 12 Ny sofina izay maheno ary ny maso izay mahita— dia samy nataon'i Yaveh avokoa ireo. 13 Aza mitia torimaso fandrao ho tonga amin'ny fahantrana ianao; sokafy ny masonao dia hanan- kohanina be ianao. 14 "Ratsy! Ratsy! hoy ny mpividy, fa rehefa lasa izy dia mirehareha. 15 Misy ny volamena sy vato lafo vidy maro be, fa ny molotry ny fahalalana dia firavaka sarobidy. 16 Alao ny akanjon'izay nampisy fiarovana ho an'ireo vahiny, ary tazony ho antoka izany raha manisy fiarovana ho an'ny vehivahy ratsy fitondran-tena izy. 17 Mamy ny tsiron'ny mofo azo amin'ny fitaka, saingy rehefa afaka izany dia ho feno vatokely ny vavany. 18 Ireo paika dia voalamin'ny torohevitra ary amin'ny tari-dalana hendry ihany no tokony hitondranao ny ady. 19 Ny fifosana mamoaka tsiambaratelo ary noho izany dia tsy tokony hiaraka amin'ireo olona izay mpiteny foana ianao. 20 Raha misy olona manozona ny rainy sy ny reniny, dia ho faty eo afovoan'ny aizina ny jirony. 21 Ny lova azo mora foana any am-piandohana dia tsy dia hahasoa any am-parany. 22 Aza miteny hoe: "Hamaly anao noho iny ratsy iny aho!" Miandrasa an'i Yaveh dia hamonjy anao Izy. 23 Halan'i Yaveh ireo vato fandanjana tsy mitovy ary ny mizana tsy marina dia tsy tsara. 24 Ny dian'ny olona dia tarihan'i Yaveh; koa ahoana no ahalalany izay lalany? 25 Fandrika ho an'ny olona ny miteny an-kamehana hoe: "Masina ity zavatra ity," ary rehefa avy nanao ny voadiny vao manomboka mieritreritra izay dikany. 26 Ny mpanjaka hendry dia manivana ny ratsy fanahy ary mamadika ny kodiaran'ny fikororohana eo amin'izy ireo. 27 Ny fanahin'ny olona no jiron'i Yaveh, mitady ireo singa anatiny indrindra. 28 Tsy fivadiham-panekena sy fahamendreham-pitokisana no miaro ny mpanjaka; ny seza fiandrianany dia voaaron'ny fitiavana. 29 Ny voninahitr'ireo tovolahy dia ny tanjany ary ny famirapiratan'ny olona antitra dia ny volofotsiny. 30 Ireo famelezana izay mandratra manaisotra ny ratsy ary ny kapoka dia mahatonga ny any anaty lalina hadio.