1 Izay mitoka-tena dia mitady ny faniriany manokana ary mifanditra amin'ny fitsaràna tsara rehetra izy. 2 Ny adala dia tsy mahita fahafinaretana amin'ny fahazavan-tsaina, fa amin'ny fanambarana izay ao am-pony ihany. 3 Rehefa misy olona ratsy fanahy tonga, dia tonga miaraka aminy ny fanamavoana— miaraka amin'ny henatra sy fahafaham-baraka. 4 Rano lalina ny teny aloaky ny vavan'ny olona; ary rano miboiboika ny loharanon'ny fahendrena. 5 Tsy tsara ny miangatra amin'ny olona ratsy fanahy, na mandà ny rariny amin'ny olo-marina. 6 Ny molotry ny adala dia mitondra ady ho azy ary ny vavany mihantsy kapoka. 7 Ny vavan'ny adala no faharavany ary mamandrika ny tenany amin'ny molony izy. 8 Ny tenin'ny mpifosa dia toy ny sombin-kanina matsiro ary midina any anatin'ny vatana ireo. 9 Izay miraviravy amin'ny asany ihany koa dia rahalahin'izay mamotika indrindra. 10 Tilikambo mahery ny anaran'i Yaveh; mihazakazaka mankao ny marina ka voaaro. 11 Ny haren'ny mpanan-karena no tanàna voaarony ary ny tahaka ny manda avo ao an'eritreriny. 12 Mialoha ny faharavany dia mirehareha ny fon'ny olona, fa ny fanetre-tena no tonga alohan'ny voninahitra. 13 Izay mamaly mialohan'ny fihainoana— dia adalana sy henatra ho azy izany. 14 Zakan'ny fanahin'ny olona ny faharariana, fa iza no hahazaka izany fanahy torotoro izany? 15 Ny fon'ny manan-tsaina dia mandranto fahalalana ary ny sofin'ny hendry mitady izany. 16 Ny fanomezan'ny olona dia mety hanokatra lalana sy hitondra azy eo anoloan'ny olom-be. 17 Izay voalohany mitondra ny raharahany dia toa marina mandra-pihavin'ny mpifanandrina aminy ka hanontany azy. 18 Ny filokana dia mandamina fifandirana sy manasaraka ireo mpifanandrina mahery. 19 Ny rahalahy tafintohina dia sarotra azo noho ny tanàna mahery, ary ny fifandirana dia toy ny hidin'ny lapa. 20 Avy amin'ny vokatry ny vavany no mahafeno ny kibon'ny olona iray; amin'ny vokatry ny molony no maha-afapo azy. 21 Ny fahafatesana sy aina dia fehezin'ny lela, ary ireo izay tia ny lela dia hihinana ny vokany. 22 Izay lehilahy mahita vady dia mahita zavatra tsara ary mahazo sitraka amin'i Yaveh. 23 Ny olona mahantra dia miangavy famindram-po, fa ny olona manan-karena kosa mamaly mafy. 24 Izay milaza manana namana maro dia ho ravain'izy ireo, fa misy namana izay akaiky kokoa noho ny rahalahy.