1 Ny vehivavy hendry manangana ny tranony, fa ny vehivavy adala mandrava izany amin'ny tanany ihany. 2 Izay mandeha am-pahitsiana dia matahotra an'i Yaveh, fa izay tsy marina amin'ny lalany dia manao tsinontsinona Azy. 3 Amin'ny vavan'ny adala no hiavian'ny tsimoky ny fireharehany, fa ny molotry ny hendry hiaro azy ireo. 4 Any amin'izay tsy misy biby fiompy no madio ny tavy fihinanana, fa be ny vokatra mety ho tonga amin'ny tanjaky ny omby. 5 Ny vavolombelona mahatoky dia tsy mandainga, fa ny vavolombelona sandoka mamoaka lainga. 6 Mitady fahendrena ny mpaneso fa tsy mahita, fa ho tonga mora foana amin'izay manan-tsaina ny fahalalana. 7 Mialà amin'ny olona adala, fa tsy hahita fahalalana eo amin'ny molony ianao. 8 Ny fahendrena ho an'ny olona malina dia ny mahatakatra ny lalany ihany, fa ny fahadalan'ireo adala dia fitaka. 9 Maneso ireo adala rehefa voasorona ny fanatitra nohon'ny heloka, fa voazara eo amin'ireo mahitsy ny fankasitrahana. 10 Ny fo mahalala ny ngidiny ary tsy misy vahiny mizara ny hafaliany. 11 Ho potika ny tranon'ny olona ratsy fanahy fa handrombona ny lain'ny olo-mahitsy. 12 Misy lalana izay toa marina eo amin'ny olona, fa ny farany ihany no mitarika amin'ny fahafatesana. 13 Afaka mihomehy ny fo nefa manaintaina ary mety hiafara amin'ny alahelo ny hafaliana. 14 Izay tsy mahatoky dia hahazo izay mendrika ny lalany, fa ny olona tsara hahazo izay azy. 15 Izay bado dia mino ny zavatra rehetra, fa ny olona mailo kosa mieritreritra ireo diany. 16 Matahotra ny olona hendry ary miala amin'ny ratsy, fa ny adala kosa mandà fampitandremana amin-toky. 17 Izay malaky tezitra dia manao ireo zavatra adaladala, ary ny olona izay manao teti-dratsy dia ankahalaina. 18 Ny bado dia mandova fahadalana, fa ny olo-kendry kosa ho satrohim-boninahitra amin'ny fahalalana. 19 Ny olon-dratsy hiankohoka eo anoloan'izay tsara ary ireo izay ratsy fanahy hiankohoka eo amin'ireo vavahadin'ny olo-marina. 20 Ankahalaina ny olo-mahantra na dia ireo namany ihany aza, fa ny olona manan-karena mana-namana betsaka. 21 Izay mampiseho fanamavoana ny namany dia manota, fa sambatra izay mampiseho fankasitrahana amin'ny mahantra. 22 Tsy ireo izay manao teti-dratsy ve no mandeha amin'ny hevi-diso? Fa ireo izay mikasa ny hanao ny tsara dia hahazo fanekena mahatoky sy fahamendreham-pitokisana. 23 Avy amin'ny asa mafy rehetra no hiavian'ny tombony, fa raha resaka fotsiny, dia mitarika ho amin'ny fahantrana izany. 24 Satro-boninahitry ny olon-kendry ny hareny, fa ny adalan'ireo adala mitondra hadalana fanampiny azy ireo ihany. 25 Ny vavolombelona marina manavotra aina, fa ny vavolombelona sandoka mamoaka lainga. 26 Rehefa matahotra an'i Yaveh ny olona iray, dia manana fahatokisana betsaka aminy ihany koa izy; ireo zavatra ireo dia ho toy ny toerana fiarovana mafy ho an'izany zanak'izany lehilahy izany. 27 Ny fahatahorana an'i Yaveh dia loharanon'aina, mba hahafahan'ny olona miala amin'ireo fandriky ny fahafatesana. 28 Hita amin'ny habetsaky ny vahoakany ny voninahitry ny mpanjaka, fa raha tsy misy vahoaka dia rava ny andriana. 29 Ny olona maharitra dia manana fahalalana lehibe, fa ny olona malaky tezitra manandratra fahadalana. 30 Ny fo milamina dia aina ho an'ny vatana, fa ny fialonana dia maha-lo ny taolana. 31 Izay mampahory ny mahantra dia manozona ny Mpamorona azy, fa izay iray maneho fankasitrahana amin'ny fadiranovana dia manome voninahitra azy. 32 Ny olona ratsy fanahy dia ahetrin'ireo asa-ratsiny, fa ny olo-marina dia hanam-pialofana na amin'ny fahafatesana aza. 33 Ny fahendrena mitoetra ao am-pon'ny mahalala, fa na dia eo amin'ireo adala aza dia avelany ho fantatra ny aminy. 34 Ny fanaovana izay marina dia manandratra firenena, fa ny fahotana dia fahafam-baraka ho an'ny olona rehetra. 35 Ny fankasitrahan'ny mpanjaka dia miaraka amin'ny mpanompo izay miasa am-pitandremana, fa ny fahatezerany dia ho an'izay miasa amim-pahamenarana.