1 Ny valin-teny malefaka dia mamily ny fahatezerana, fa ny teny masiaka manetsika fahasosorana. 2 Ny lelan'ny hendry mandoka fahalalana, fa ny vavan'ny adala kosa mandraraka fahadalana. 3 Fa amin'izao rehetra izao ny mason'i Yaveh, mandinika ny ratsy sy ny tsara. 4 Ny lela manasitrana dia hazon'aina, fa ny lela mpamitaka dia manorotoro ny fanahy. 5 Ny adala manamavo ny fananaran-drainy, fa izay mandray ny fanitsiana no malina. 6 Ao an-tranon'ny olo-marina no misy harena be, fa fidiram-bolan'ny ratsy fanahy manome fahoriana azy. 7 Ny molotry ny hendry manaparitaka fahalalana, fa tsy mba toy izany kosa ny fon'ireo adala. 8 Mankahala ny soron'ireo olona ratsy fanahy Yaveh, fa fahafinaretany kosa ny vavaky ny olona mahitsy. 9 Mankahala ny fomban'ireo olona ratsy fanahy Yaveh, fa tia ilay iray izay manaraka ny marina Izy. 10 Miandry ny olona izay mahafoy ny lalana ny sazy mafy ary izay mankahala famaizana dia ho faty. 11 Ny fiainan-tsy hita sy fandringanana aza misokatra eo anatrehan'i Yaveh; koa mainka fa ny fon'ny zanak'olombelona? 12 Ny mpaneso sosotra amin'ny fananarana azy; tsy handeha any amin'ny hendry izy. 13 Ny fo ravoravo mahamirana ny tarehy, fa ny aretim-po kosa manorotoro ny fanahy. 14 Ny fon'ny manan-tsaina mitady fahalalana, fa ny vavan'ireo adala homana fahadalana ihany. 15 Fadiranovana avokoa ireo andron'ny ory rehetra, fa ny fo miramirana dia fanasana tsy manam-petra. 16 Aleo kely amin'ny tahotra an'i Yaveh toy izay harem-be amin'ny ahiahy. 17 Aleo kokoa sakafo misy anana izay misy fitiavana toy izay omby mifahy aroso amim-pankahalana. 18 Ny olona mora tezitra manetsika ady, fa ny olona izay mahatsindry fo mampitsahatra fifandirana. 19 Ny lalan'ny kamo dia tahaka ny toerana misy fefy tsilo, fa ny lalan'ny mahitsy dia lalam-be voavoatra tsara. 20 Ny zanaka hendry dia mitondra fifaliana ho an'ny rainy, fa ny olona adala manao tsinotsinona ny reniny. 21 Mahafinaritra ny olona tsy ampy saina ny adalana, fa izay manana fahazavan-tsaina mandeha amin'ny lalan-mahitsy. 22 Mandamoka ireo tetika rehefa tsy misy torohevitra, saingy rehefa miaraka amin'ny mpanolon-tsaina maro dia nahomby ireo. 23 Mahita hafaliana ny olona iray rehefa manome valiny mahafa-po izy; endrey ny hatsaran'ny teny izay voalaza ara-potoana! 24 Mitondra miakatra ho an'ny olon-kendry ny lalan'ny fiainana, mba hialan'izy ireo amin'ny Fiainan-tsy hita any ambany. 25 Hopotehin'i Yaveh ny lovan'ny mpirehareha, fa miaro ny fananan'ny mpitondratena kosa Izy. 26 Mankahala ny fisainan'ireo olona ratsy fanahy Yaveh, fa ireo tenin'ny fahatsaram-panahy dia madio. 27 Mitondra olana ho an'ny fianakaviany ny mpangalatra, fa ny olona izay mankahala tsolotra dia ho velona. 28 Ny fon'ny marina dia misaintsaina mialohan'ny hamaliany, fa ny vavan'ny ratsy fanahy kosa miboiboika ny ratsy ao aminy. 29 Lavitra ireo ratsy fanahy Yaveh, fa mandre ny vavaky ny olo-marina kosa Izy. 30 Ny fahazavan'ny maso mitondra fifaliana ho an'ny fo ary ny vaovao tsara dia fahasalamana ho an'ny vatana. 31 Raha mankatoa ianao rehefa manitsy ny fomba fiainanao ny olona, dia hitoetra eo amin'ireo olona hendry ianao. 32 Izay mandà famaizana dia manao tsinontsinona ny tenany, fa izay mihaino anatra kosa dia mahazo fahazavan-tsaina. 33 Mampianatra fahendrena ny tahotra an'i Yaveh ary fanetren-tena no mialoha ny voninahitra.