Toko faha 13

1 Mandre ny fampianaran'ny rainy ny zanaka hendry, fa ny mpaneso dia tsy mihaino fibedesana. 2 Avy amin'ny vokatry ny vavany no isitrahan'ny olona ireo zava-tsoa, fa ny homan'ny mpamitaka dia ho an'ny herisetra. 3 Izay mitandrina ny vavany no miaro ny ainy, fa izay misanana vava dia handrava ny tenany ihany. 4 Ny homan'ireo olona kamo dia maniry nefa tsy mahazo na inona na inona, fa ny homan'ny olona mazoto dia ho afa-po tanteraka. 6 Ireo olona marina dia mankahala ny lainga, fa ny olona ratsy fanahy dia manao ny tenany ho marikoriko, ary manao izay mahamenatra izy. 5 Ny fahamarinana dia miaro an'ireo izay tsy misy tsiny amin'ny lalany, fa ny faharatsiana mampivadika ireo izay manota. 7 Misy olona mampanan-karena ny tenany, nefa tsy manana na inona na inona mihitsy ary misy olona manome ny zava-drehetra, nefa tena manan-karena. 8 Ny vidim-panavotan'ny fiainan'ny olona manan-karena dia ny hareny, fa ny olona mahantra tsy mandre fampitahorana. 9 Miravoravo ny hazavan'ny olo-marina, fa ny jiron'ny ratsy fanahy dia ho vonoina. 10 Fifandirana ihany no ateraky ny avonavona, fa ho an'ireo izay mihaino torohevitra tsara no misy fahendrena. 11 Hihena ny harena rehefa be loatra ny zava-poana, fa ilay iray izay mihary vola amin'ny asan'ny tanany dia hampitombo ny volany. 12 Rehefa mihemotra ny fanantenana, dia mandratra fo izany, fa ny faniriana tanteraka no hazon'aina. 13 Izay mankahala ny fampianarana no mbola hiharan'izany, fa izay manaja ny didy dia hahazo valisoa. 14 Ny fampianaran'ny olon-kendry dia loharanon'aina, manala anao amin'ny fandriky ny fahafatesana. 15 Ny fitandremana tsara dia ahazoana fitia, fa ny lalan'ny mpamadika tsy ho tapitra mandrakizay. 16 Ny olona malina dia mandray ny fanapahan-kevitra rehetra amin'ny fahalalana, fa ny adala dia mampiharihary ny hadalany. 17 Ny iraka ratsy fanahy ho latsaka anaty fahoriana, fa ny iraka mahatoky mitondra fampihavanana. 18 Izay tsy miraharaha fampianarana hahantra sy ho menatra, fa ny voninahitra dia ho tonga amin'izay mianatra amin'ny fanitsiana. 19 Ny faniriana tanteraka mamin'ny fo, fa ny adala mankahala ny fialana amin'ny ratsy. 20 Mandehana miaraka amin'ny olon-kendry dia ho hendry ianao, fa ny naman'ny adala dia hijaly amin'ny ratsy. 21 Manenjika ny mpanota ny loza, fa ny olo-marina dia omena valisoa amin'ny tsara. 22 Mamela lova ho an'ny zafiny ny olona tsara, fa ny haren'ny mpanota dia voatahiry ho an'ny olo-marina. 23 Ny saha tsy mbola niasan'ireo mahantra dia afaka mamokatra hanina maro, fa voafafa amin'ny tsy rariny izany. 24 Izay tsy manitsy ny zanany dia mankahala azy, fa izay tia ny zanany dia mitandrina ny hampianatra azy tsara. 25 Ny olo-marina dia hihinana mandra-pahavokiny, fa ny kibon'ny ratsy fanahy dia ho noana mandrakariva.