1 Rehefa ren'ilay Kananita mpanjakan'i Arada, izay nonina tao Negeva, fa nandeha tany amin'ny lalana mankany Atarima ny Israely, dia niady tamin'Israely izy ary naka ny sasany tamin'izy ireo ho babo. 2 Nivoady tamin'i Yaveh ny Israely ary nanao hoe: "Raha omenao fandresena amin'ireo vahoaka ireo izahay, dia ho potehinay tanteraka ny tanànan'izy ireo." 3 Nihaino ny feon'Israely i Yaveh ary nanome azy ireo ny fandresena an'ireo Kananita. Nopotehin'izy ireo tanteraka izy ireo sy ny tanànany. Nantsoina hoe Horma izany toerana izany. 4 Niala avy ao an-tendrombohitra Hora nandalo ny lalana mankany amin'ny Ranomasina Mena izy ireo mba handeha hanodidina ny tanin'i Edoma. Niha-kivy tanteraka ny vahoaka teny an-dalana. 5 Niresaka nanohitra an'Andriamanitra sy Mosesy ny vahoaka hoe: "Nahoana izahay no nentinao niakatra hivoaka an'i Egypta mba ho faty aty an'efitra? Tsy misy mofo, tsy misy rano, ary halanay ity sakafo fadiranovana ity." 6 Avy eo Yaveh nandefa bibilava misy poizina teo amin'ny vahoaka. Nanaikitra ny olona ireo bibilava; maro ny olona maty. 7 Nanatona an'i Mosesy ny vahoaka ary nanao hoe: "Nanota izahay satria niresaka nanohitra anao sy Yaveh. Mivavaha amin'i Yaveh mba hanalany ireo bibilava aminay." Koa dia nivavaka ho an'ny vahoaka i Mosesy. 8 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Manaova bibilava ary hafatory amin'ny hazo lava izany. Izay rehetra voakaikitra dia ho velona, raha mijery izany izy." 9 Koa nanao bibilava varahina Mosesy ary namatotra izany tamin'ny hazo lava. Raha manaikitra olona ny bibilava, raha nijery ilay bibilava varahina izy, dia velona. 10 Avy eo nandeha ny vahoakan'Israely ary nitoby tao Obota. 11 Nandeha avy tao ary nitoby tany Leabarima tany an'efitra izay manatrika an'i Moaba tandrifin'ny atsinanana izy ireo. 12 Niala avy tao izy ireo ary nitoby tany amin'ny Lohasahan-driaka Zareda. 13 Niala tao izy ireo ary nitoby tany an-dafin'ny Reniranon'i Arnona, izay any an'efitra izay mihitatra avy any amin'ny fari-tanin'ireo Amorita. Ny Reniranon'i Arnona no fari-tanin'i Moaba, anelanelan'ny Moabita sy ireo Amorita. 14 Izany no antony hilazana ao amin'ny horonan-taratasin'ny Adin'i Yaveh hoe: "Vaheba any Sofa, ary ireo lohasahan-driakan'i Arnona, 15 ny antsan'ireo lohasahan-driaka izay mitarika mankany amin'ny tanànan'i Ara ary midina mankany amin'ny fari-tanin'i Moaba." 16 Niala tao izy ireo ary nankany Bera, izay misy ilay fantsakana izay nitenenan'i Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Angony miaraka ny vahoaka mba hanomezako rano azy ireo." 17 Avy eo nikalo ity hira ity ny Israely: " Miboiboiha, ry fantsakana. Ataovy an-kira izany. 18 Ilay fantsakana izay nohadian'ireo mpitaritsika, ilay fantsakana izay nohadian'ireo manan-kajan'ny vahoaka tamin'ny tehim-panjakana sy tehin'izy ireo." Avy eo dia niala tao an'efitra izy ireo ary nankany Matana. 19 Niala tao Matana izy ireo ary nankany Nahaliela, ary avy ao Nahaliela nankany Bamota, 20 ary avy ao Bamota nankany amin'ny lohasahan-driakan'ny tany Moaba. Eo an-tampon'ny Tendrombohitra Pisga no hahatazanana ny tany efitra. 21 Avy eo Israely nandefa mpitondra hafatra tany amin'i Sihona mpanjakan'i Amorita nanao hoe: 22 "Avelao izahay hamakivaky eo amin'ny taninao. Tsy hivily any amin'ny saha rehetra na ny tanim-boaloboka izahay. Tsy hisotro ny rano avy eo amin'ny fantsakanao izahay. Handeha eo amin'ny lalan'ny mpanjaka izahay mandra-piampitanay ny fari-taninao." 23 Fa tsy navelan'i Sihona mpanjaka handalo ny fari-tanin'izy ireo ny Israely. Fa kosa, nanangona ny tafiny i Sihona mpanjaka ary nanafika an'Israely tany an'efitra. Tonga tany Jahaza izy, izay niadiany tamin'Israely. 24 Nanafika ny tafik'i Sihona tamin'ny lelan-tsabatra ny Israely ary naka ny tanin'izy ireo avy eo Arnona ka hatrany amin'ny renirano Jaboka, hatrany amin'ny tanin'ny vahoakan'i Amona. Ary mafy ny fari-tanin'ny vahoakan'i Amona. 25 Naka ireo tanànan'ny Amorita rehetra ny Israely ary nipetraka tao amin'izy rehetra, isan'izany Hesboba sy ny zana-bohiny rehetra. 26 Hesbona no tanànan'i Sihona mpanjakan'ireo Amorita, izay niady tamin'ny mpanjakan'i Moaba teo aloha. Nalain'i Sihona avokoa ny taniny rehetra hatrany amin'ny fari-taniny ka hatrany amin'ny Reniranon'i Arnona. 27 Izany no antony hilazan'ireo izay miresaka amin'ny ohabolana hoe: "Avia aty Hesbona. Aoka ilay tanànan'i Sihona ho hatsangana indray ary ho apetraka indray. 28 Nisy afo nandoro avy ao Hesbona, lelafo avy ao an-tanànan'i Sihona izay nandevona an'i Aran'i Moaba, sy ireo tompon'ireo toerana avon'i Arnona. 29 Loza ho anao, ry Moaba! Ringana ianao, ry olon'i Kemosy. Nataony ho mpandositra ireo zanany lahy ary gadran'i Sihona mpanjakan'ireo Amorita ireo zanany vavy. 30 Fa resinay Sihona. Hesbona dia rava hatrany amin'ny lalana rehetra mankany Dibona. Resinay izy ireo teny amin'ny lalana rehetra mankany Nofa, izay mihazo an'i Medeba." 31 Koa nanomboka nonina teo amin'ny tanin'ireo Amorita ny Israely. 32 Avy eo Mosesy nandefa olona hijery an'i Jazera. Nalain'izy ireo ny zana-bohiny ary noroahin'izy ireo izay Amorita tao. 33 Avy eo nivily izy ireo ary niakatra ho any amin'ny lalana mankany Basana. Nivoaka nanohitra azy ireo i Oga mpanjakan'i Basana, izy sy ny tafiny, mba hiady amin'izy ireo any Edrehy. 34 Avy eo Yaveh nilaza tamin'i Mosesy hoe: "Aza matahotra azy, satria nomeko fandresena eo aminy, ny tafiny rehetra, ary ny taniny ianao. Ataovy aminy izay nataonao tamin'i Sihona mpanjakan'i Amorita, izay monina any Hesbona." 35 Koa novonoin'izy ireo izy, ireo zanany lahy, ary ny tafiny rehetra, mandra-pahafatin'ny olony rehetra. Avy eo dia nalain'izy ireo ny taniny.