Toko faha 22

1 Nandeha mandra-pitobin'izy ireo tao amin'ireo lemak'i Moaba akaikin'i Jeriko, teny ampitan'ny Reniranon'i Jordana miala eo amin'ny tanàna ny vahoakan'Israely. 2 Nahita izay rehetra nataon'ny Israely tamin'ireo Amorita i Balaka zanak'i Zipora. 3 Natahotra mafy ny vahoakan'ny Israely i Moaba satria maro loatra izy ireo, ka nihorohoro tamin'ny vahoakan'ny Israely i Moaba. 4 Niteny tamin'ireo loholon'ny Midiana ny mpanjakan'ny Moaba hoe: ''Hihinana ny rehetra izay manodidina antsika tahaka ny omby mihinam-bilona eny an-tsaha ireo maro ireo.'' Ary i Balaka zanak'i Zipora no mpanjakan'i Moaba tamin'izany fotoana izany.'' 5 Nandefa iraka ho any amin'i Balama zanak'i Beora, tao Petora izay akaikin'ny Reniranon'i Eofrata, tao amin'ny tanin'ny fireneny sy vahoakany izy. Niantso azy izy ka nanao hoe: ''Indro, misy firenena avy any Egypta tonga eto. Mandrakotra ny tany izy ireo ary eto akaikiko izao. 6 Ka tongava re ankehitriny ka ozony ho ahy izany firenena izany, satria mahery loatra amiko izy ireo. Angamba mba afaka hanafika azy ireo sy handroaka azy ireo amin'ny tany aho. Fantatro fa na iza na iza tahianao dia ho voatahy, ary na iza na iza hozoninao, dia ho voaozona.'' 7 Dia lasa ireo loholon'i Moaba sy ireo loholon'i Midiana, nitondra ny saran'ny sikidy. Tonga teo amin'i Balama izy ireo ka niteny taminy ireo tenin'i Balaka. 8 Hoy Balama tamin'izy ireo: ''Mitoera eto anio alina. Hilaza aminareo izay lazain'i Yaveh amiko aho.'' Dia nitoetra tao amin'i Balama io alina io ireo mpitarik'i Moaba. 9 Tonga teo amin'i Balama Andriamanitra ka nanao hoe: ''Iza ireo lehilahy izay tonga eto aminao ireo?'' 10 Namaly an'Andriamanitra i Balama hoe: ''Balaka zanak'i Zipora, mpanjakan'i Moaba, no naniraka azy ireo hankaty amiko. Hoy izy: 11 'Indro, ny vahoaka izay tonga avy any Egypta dia mandrakotra ny velaran'ny taniko. Ankehitriny tongava ary ozony izy ireo ho ahy. Angamba hahavita hiady amin'izy ireo sy handroaka azy ireo aho.'' 12 Namaly an'i Balama Andriamanitra hoe: ''Tsy handeha miaraka amin'ireo lehilahy ireo ianao. Tsy hanozona ny vahoakan'ny Israely ianao satria efa voatahy izy ireo.'' 13 Nitsangana i Balama ny maraina ka niteny tamin'ireo mpitarik'i Balaka hoe: ''Miverena any amin'ny taninareo satria mandà ny hamela ahy hiaraka aminareo Yaveh.'' 14 Dia lasa ireo mpitarik'i Moaba ka niverina tany amin'i Balaka. Hoy izy ireo: "Nandà tsy hiaraka aminay i Balama.'' 15 Naniraka mpitarika maro izay be voninahitra kokoa noho ilay vondrona voalohany indray i Balaka. 16 Tonga tany amin'i Balama izy ireo ka nanao taminy hoe: ''Izao no lazain'i Balaka zanak'i Zipora: 'Aoka re tsy hisy na inona na inona hanakana anao tsy hiaraka aminay, 17 satria handoa tsara lavitra sy hanome voninahitra lehibe ho anao aho, ary hanao izay rehetra lazainao ataoko. Koa mba tongava re ka ozony ho ahy izany vahoaka izany.''' 18 Namaly Balama ka nanao tamin'ireo lehilahin'i Balaka hoe: ''Na dia hanome ahy ny lapany feno volafotsy sy volamena aza i Balaka, dia tsy hihoatra ny tenin'i Yaveh, Andriamanitro, ka andatsaka na ampitombo izay lazainy amiko aho. 19 Koa ankehitriny, mba miandrasa eto ihany koa re anio alina, mba ahafantarako ny zavatra bebe kokoa izay lazain'i Yaveh amiko.'' 20 Tonga tamin'i Balama ny alina Andriamanitra ka nanao taminy hoe: ''Satria tonga mba hiantso anao ireo lehilahy ireo, dia mitsangàna ka miaraha amin'izy ireo. Nefa izay lazaiko anao ho ataonao ihany no ataovy.'' 21 Nifoha maraina i Balama, nanisy lasely ny borikiny, ka nandeha niaraka tamin'ireo mpitarik'i Moaba. 22 Nefa satria nandeha izy, dia nirehitra ny fahatezeran'Andriamanitra. Nipetraka teo an-dalana toy ny mpifahavalo amin'i Balama, izay nitaingina ny borikiny ny anjelin'i Yaveh. Niaraka taminy ihany koa ny mpanompon'i Balama roa. 23 Nahita ny anjelin'i Yaveh nijoro teo an-dalana ilay boriky ary nisy sabatra voatsoaka teny an-tanany. Niala tamin'ny lalana ilay boriky ka nankany an-tsaha. Nikapoka ny borikiny mba hamerina azy amin'ny lalana i Balama. 24 Dia nijoro teo amin'ny faritra tery tamin'ny lalana anelanelan'ny tanimboaloboka maro ilay anjely, ary nisy fefy teo andaniny ary fefy iray hafa teo ankilany. 25 Nahita ny anjelin'i Yaveh indray ilay boriky. Nikisina ny rindrina izy ka nanery ny tongotr'i Balama tamin'izany. Nokapohin'i Balama indray izy. 26 Nandroso ihany ilay anjelin'i Yaveh ary nitsangana teo amin'ny toerana tery hafa izay tsy misy lalana iviliana ny andaniny sy ny ankilany. 27 Nahita ny anjelin'i Yaveh ilay boriky, ka nidaboka tamin'ny tany tao ambanin'i Balama. Nirehitra ny fahatezeran'i Balama, ka nokapohiny tamin'ny tehiny ilay boriky. 28 Dia nanokatra ny vavan'ilay boriky i Yaveh mba hiteny izy. Hoy izy tamin'i Balama: ''Inona no nataoko anao ka nahatonga anao hikapoka ahy izay intelo izay?'' 29 Namaly ilay boriky i Balama hoe: ''Satria niadaladala tamiko ianao. Tokony mba nisy sabatra tety an-tanako. Fa raha nisy, dia efa matiko ianao ankehitriny.'' 30 Hoy ilay boriky tamin'i Balama: ''Moa ve tsy izaho ilay borikinao izay notaingenanao nandritra ny fiainanao rehetra mandraka ankehitriny? Moa ve efa nanam-pahazarana nanao zavatra tahaka izao taminao aho taloha?'' Hoy Balama hoe: ''Tsia.'' 31 Dia nosokafan'i Yaveh ny mason'i Balama, ka nahita ny anjelin'i Yaveh nijoro teo amin'ny lalana ary misy sabatra voatsoaka teny an-tanany izy. Nanondrika ny lohany ka niankohoka i Balama. 32 Hoy ilay anjelin'i Yaveh taminy: ''Nahoana no nikapoka ny borikinao izay intelo izay ianao? Indro, tonga tahaka ny mpifahavalo aminao aho satria ratsy ny zavatra nataonao teo anoloako. 33 Nahita ahy ny boriky ka niala ahy izay intelo izay. Raha tsy niala ahy izy, dia efa novonoiko tokoa ianao fa hamelona azy aho.'' 34 Hoy Balama tamin'ilay anjelin'i Yaveh: ''Nanota aho. Tsy fantatro fa nijoro teo anoloako teo an-dalana ianao. Koa ankehitriny, raha tsy mahafaly anao izany, dia hiverina aho.'' 35 Nefa hoy ilay anjelin'i Yaveh tamin'i Balama: ''Mandrosoa miaraka amin'ireo lehilahy. Nefa ireo teny izay lazaiko anao ihany no hoteneninao.'' Dia niaraka tamin'ireo mpitarik'i Balaka i Balama. 36 Rehefa ren'i Balaka fa tamy i Balama, dia nivoaka hitsena azy tao an-tanànan'i Moaba tao Arnona izy, izay tao amin'ny faritany. 37 Hoy Balaka tamin'i Balama: ''Moa ve tsy naniraka lehilahy mba hiantso anao aho? Nahoana ianao no tsy tonga teto amiko? Moa ve tsy afaka manome voninahitra anao aho?'' 38 Dia namaly an'i Balaka i Balama hoe: ''Indro, efa tonga eto aminao aho. Moa ve manana fahefana hilaza zavatra aho ankehitriny? Ireo teny izay apetrak'i Yaveh ao am-bavako ihany no azoko lazaina.'' 39 Niaraka tamin'i Balaka i Balama, ary tonga tao Kiriata-hozota izy ireo. 40 Dia nanao sorona omby sy ondry i Balaka ka nanome hena ho an'i Balama sy ireo mpitarika izay niaraka taminy. 41 Ny maraina, dia nitondra an'i Balama niakatra tany amin'ny toerana avon'i Bala i Balaka. Ny ampahan'ireo Israelita tao an-tobin'izy ireo ihany no hitan'i Balama avy teny.