1 Ary ny vahoakan'Israely, ny vondrona manontolo, dia nankany an'efitry ny Zina tamin'ny volana voalohany; nijanona tao Kadesy izy ireo. Tany Miriama no maty sy nalevina. 2 Tsy nisy rano ho an'ny vondrona, ary niara-niangona hanohitra an'i Mosesy sy Arona izy ireo. 3 Nitaraina tamin'i Mosesy ny vahoaka. Hoy izy ireo hoe: "Tsara kokoa raha maty toy ny Israelita namanay maty teo anatrehan'i Yaveh izahay! 4 Nahoana no nentinao mba ho faty aty amin'ity efitra ity ny fivondronan'i Yaveh, dia izahay sy ny biby fiompinay? 5 Nahoana ianao no nampiakatra anay nivoaka avy tany Egypta nitondra anay amin'ity toerana mahatsiravina ity? Indro tsy misy voa, aviavy, voaloboka, na apongaben-danitra eto, ary tsy misy rano ho sotroina." 6 Ary niala teo anatrehan'ny fivondronana i Mosesy sy Arona. Niditra teo amin'ny fidiran'ny trano-lay fihaonana izy ireo ary niankohoka. Ary niseho tamin'izy ireo tao ny famirapiratan'ny voninahitr'i Yaveh. 7 Niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh ary nanao hoe: 8 "Alaivo ny tehina ary vorio ny fivondronana, ianao, sy Arona rahalahinao. Mitenena amin'ny vatolampy eo imason'izy ireo, ary mandidia mba hiboiboika rano izany. Hamokatra rano ho azy ireo avy ao amin'ny vatolampy ianao, ary tsy maintsy omenao ny fivondronana sy ireo biby fiompiny mba hosotroiny izany." 9 Noraisin'i Mosesy avy teo anoloan'i Yaveh ny tehina, araka ny nandidian'i Yaveh azy mba hatao. 10 Dia namory ny vahoaka teo anoloan'ny vatolampy i Mosesy sy Arona. Hoy i Mosesy tamin'izy ireo: "Ankehitriny mihainoa, ianareo mpikomy. Moa ve tsy maintsy hamoaka rano avy amin'ity vatolampy ity ho anareo izahay?'' 11 Dia nanangana ny tanany i Mosesy ary nikapoka indroa ny vatolampy tamin'ny tehina, ka rano be no nivoaka. Nisotro ny fivondronana, sy ireo biby fiompiny. 12 Ary hoy i Yaveh tamin'ny Mosesy sy Arona: "Satria tsy natoky na nanome voninahitra Ahy ho masina teo imason'ny vahoakan'Israely ianareo, dia tsy hitondra ny fiangonana any amin'ny tany izay efa nomeko azy ireo ianareo." 13 Ity toerana ity dia nantsoina hoe ranon'i Meriba satria ny vahoakan'Israely dia nifanditra tamin'i Yaveh teo, ary nampiseho ny tenany tamin'izy ireo ho masina Izy. 14 Naniraka mpitondra hafatra avy tao Kadesy ho any amin'ny mpanjakan'i Edoma i Mosesy: Izao no lazain'Israely rahalahinao: "Fantatrao ny ady sarotra izay efa nanjo anay. 15 Fantatrao fa nidina tany Egypta ireo razanay ary nitoetra tao Egypta nandritra ny fotoana ela. Nitondra anay tamin'ny fahasiahana sy ireo razanay ihany koa ireo Egyptiana. 16 Rehefa niantso mafy an'i Yaveh izahay, dia nandre ny feonay Izy ka nandefa anjely ary nitondra anay nivoaka avy tao Egypta. Indro, aty Kadesy izahay, tanàna iray eto amin'ny faritry ny taninao. 17 Mangataka aminao aho ny mba hamelanao anay handalo eo amin'ny taninao. Tsy handalo amin'ny saha na tanim-boaloboka, na hisotro ny rano ao amin'ireo lava-dranonao izahay. Handeha eny amin'ny lalamben'ny mpanjaka izahay. Tsy hivily hiankavanana na hiankavia izahay mandra-pahatonganay eny amin'ny sisin-taninao." 18 Fa ny mpanjakan'i Edoma namaly azy hoe: "Tsy mahazo mandalo eto ianareo. Raha mandalo ianareo, dia ho avy miaraka amin'ny sabatra hanafika anareo aho." 19 Ary ny vahoakan'Israely nanao taminy hoe: "Hamakivaky ny lalam-be izahay. Raha misotro ny ranonao izahay na ny biby fiompinay, dia honeranay izany. Avelao fotsiny izahay mba handeha tongotra, fa tsy anao zavatra hafa." 20 Fa ny mpanjakan'i Edoma namaly hoe: "Tsy mahazo mandalo ianareo." Ka tonga namely an'Israely ny mpanjakan'i Edoma niaraka tamin'ny tana-maherin'ireo miaramila maro be. 21 Nandà ny hamela ny Israely hiampita teo amin'ny sisitan'izy ireo ny mpanjakan'i Edoma. Noho izany, dia nivily tamin'ny tanin'i Edoma ny Israely. 22 Koa niala tao Kadesy ny vahoaka. Ny vahoakan'Israely, ny fivondronana manontolo, nankany an-Tendrombohitra Hora. 23 Niresaka tamin'i Mosesy sy Arona tao an-Tendrombohitra Hora i Yaveh, eo amin'ny sisitanin'i Edoma. Hoy Izy: 24 "Tsy maintsy hampiarahana amin'ny vahoakany i Arona, fa tsy hiditra amin'ny tany izay efa nomeko ny vahoakan'Israely izy. Izany dia satria samy nikomy nanohitra ny teniko tao amin'ny ranon'i Meriba ianareo. 25 Alaivo i Arona sy Eleazara zanany lahy, ary ento miakatra any an-Tendrombohitra Hora izy ireo. 26 Esory amin'i Arona ireo akanjo fisoronana ka ampanaovy an'i Eleazara zanany. Tsy maintsy ho faty Arona ary hampiarahina amin'ny vahoakany any." 27 Nanao araka izay nandidian'i Yaveh i Mosesy. Niakatra tany an-Tendrombohitra Hora teo imason'ny fivondronana rehetra izy ireo. 28 Nesorin'i Mosesy ny akanjo fisoronan'i Arona ary nampanaoviny an'i Eleazara zanany ireo. Maty teo an-tampon-tendrombohitra i Arona. Ary nidina i Mosesy sy Eleazara. 29 Rehefa hitan'ny vondrona rehetra fa maty i Arona, dia nisaona an'i Arona nandritra ny telopolo andro ny firenena manontolo.