1 Ary Kora no zanaka lahin'i Jizara zanaka lahin'i Kehata zanaka lahin'i Levy, miaraka amin'i Datana sy Abirama zanaka lahin'i Eliaba, sy Ona zanak'í Peleta, taranak'i Robena, dia nampivory lehilahy sasan-tsasany. 2 Nitsangana hanohitra an'i Mosesy izy ireo, ka niaraka tamin'ireo lehilahy hafa avy tamin'ny vahoakan'Israely, mpitarika fiangonana dimampolo sy roanjato izay mpikambana fanta-daza teo amin'ny fiangonana. 3 Niara-niangona izy ireo mba hifanandrina amin'i Mosesy sy Arona. Hoy izy ireo taminy: "Lasa lavitra loatra ianareo! Fa voatokana ny fiangonana rehetra, ny tsirairay amin'izy ireo, ary Yaveh dia eo amin'izy ireo. Nahoana no manandratra ny tenanareo eo amin'ny ambin'ny fiangonan'i Yaveh ianareo?'' 4 Rehefa ren'i Mosesy izany, dia nampiankohoka ny tavany izy. 5 Niteny tamin'i Kora sy ireo rehetra izay niaraka taminy izy hoe: "Amin'ny maraina dia hampahafantarin'i Yaveh ireo izay Azy sy ireo izay voatokana ho Azy. Hoentiny ho eo akaikiny izany olona izany. Ny iray izay voafidiny dia hoentiny hanakaiky ny tenany. 6 Ataovy izao, ry Kora sy ny tariny rehetra. Alaivo ny fitondran'afo 7 rahampitso ary asio sy afo sy ditin-kazo manitra anatin'izany eo anoloan'i Yaveh. Ny iray izay fidian'i Yaveh, dia ho voatokana ho an'i Yaveh izany olona izany. Lasa lavitra loatra ianao, ry taranak'i Levy." 8 Dia hoy indray Mosesy tamin'i Kora hoe: ''Ankehitriny mihainoa, ianareo ry taranak'i Levy: 9 moa zavatra kely aminareo ve ny nampisarahan'Andriamanitra anareo tamin'ny fiangonan'Israely, mba hitondra anareo akaikin'ny tenany, mba hanao ny asany ao amin'ny tabernakelin'i Yaveh, ary hijoro eo anoloan'ny fiangonana mba hanompo azy ireo? 10 Nitondra anao akaiky Izy, sy ireo rahalahinao rehetra, taranak'i Levy, miaraka aminao, nefa mbola mitady ny fisoronana ihany koa ianareo! 11 Noho izany no nivondronanareo sy ny tarinao hanohitra an'i Yaveh. Ka nahoana ianareo no mitaraina mahakasika an'i Arona, izay mankatoa an'i Yaveh?'' 12 Ary Mosesy niantso an'i Datana sy Abirama, zanaka lahin'i Eliaba, fa niteny izy ireo hoe: "Tsy hiakatra izahay. 13 Zavatra kely aminao angaha ny nitondranao anay niakatra nivoaka ny tany tondra-dronono sy tantely, mba hamono anay any an'efitra? Ankehitriny dia maniry ny tenanao hanapaka eo aminay ianao! 14 Ho fanampin'izany, tsy nitondra anay tany amin'ny tany tondra-dronono sy tantely Ianao, na nanome anay ireo saha sy tanim-boaloboka ho lova. Ankehitriny dia maniry hahajamba anay amin'ireo fampanantenana foana ve Ianao? Tsy ho any aminao izahay.'' 15 Tezitra mafy i Mosesy ary niteny tamin'i Yaveh hoe: "Aza manaiky ny fanatiny. Tsy naka na apondra iray tamin'izy ireo aho, ary tsy nanisy ratsy na ny iray tamin'izy ireo aza." 16 Ary niteny tamin'i Kora i Mosesy hoe: ''Rahampitso dia tsy maintsy handeha eo anatrehan'i Yaveh ianao sy ny tarikao—ianao sy izy ireo, ary Arona. 17 Samia maka ny fitondran'afony ianareo tsirairay ary manisy ny ditin-kazo manitra ao amin'izany. Avy eo dia aoka hitondra ny fitondran'afony eo anoloan'i Yaveh avy ny tsirairay, fitondran'afo dimam-polo sy roan-jato. Ianao sy Arona, ihany koa, dia aoka hitondra ny fitondran'afonareo tsirairay.'' 18 Ka dia naka ny fitondran'afony ny olona tsirairay, nandrehitra afo tamin'izany, ary nitsangana teo amin'ny fidiran'ny trano-lay fihaonana niaraka tamin'i Mosesy sy Arona. 19 Nampivory ireo fivondronana rehetra manohitra an'i Mosesy sy Arona teo amin'ny fidiran'ny trano-lay fihaonana i Kora, ary niseho tamin'ny fivondronana rehetra ny voninahitr'i Yaveh. 20 Dia niresaka tamin'i Mosesy sy Arona i Yaveh hoe: 21 ''Saraho amin'ity fiangonana ity ny tenanareo mba hahafahako mandevona azy ireo avy hatrany.'' 22 Niankohoka i Mosesy sy Arona ary niteny hoe: "Andriamanitra, Andriamanitry ny fanahin'ny olombelona rehetra, raha manota ny olona iray, dia ho tezitra amin'ny fiangonana rehetra ve ianao? 23 Namaly an'i Mosesy i Yaveh. 24 Hoy Izy hoe: "'Mitenena amin'ny fivondronana. Mitenena hoe: ''Mialà amin'ny lain'i Kora, Datana, ary Abirama.'' 25 Dia niainga i Mosesy ary nankany Datana sy Abirama; ireo loholon'Israely dia nanaraka azy. 26 Niresaka tamin'ny fivondronana izy ka niteny hoe: "Ankehitriny dia mialà amin'ireo lain'ny ratsy fanahy ary aza mikitika na inona na inona ny azy ireo, fandrao ho levona amin'ny alalan'ireo fahotany rehetra ianao.'' 27 Koa nandao azy ireo tamin'ny zoron'ireo lain'i Kora, Datana, ary Abirama ny fivondronana. Nivoaka i Datana sy Abirama ary nitsangana teo amin'ny fidiran'ny lain'izy ireo, niaraka tamin'ireo vadiny, zanaka lahy, ary ireo madininy. 28 Ary niteny i Mosesy hoe: ''Amin'izao no ahafantaranareo fa Yaveh no naniraka ahy hanao ireo asa rehetra, fa tsy nanao ireny tamin'ny saiko ihany aho. 29 Raha maty amin'ny fahafatesana voajanahary tahaka ny zava-misy ara-dalàna ireny olona ireny, dia tsy nandefa ahy i Yaveh. 30 Fa raha mamorona fisokafana amin'ny tany izay mitelina azy ireo ao tahaka ny vava lehibe i Yaveh, miaraka amin'ireo fianakaviany rehetra, ary raha midina velona any amin'ny fiainan-tsy hita izy ireo, dia aoka ho fantatrao fa ireny olona ireny dia nanao tsinontsinona an'i Yaveh.'' 31 Raha mbola tsy tapitra ny fitenenan'i Mosesy ireo teny rehetra ireo, dia nisokatra teo ambanin'ireo lehilahy ireo ny tany. 32 Nanokatra ny vavany ny tany ary nitelina azy ireo, ireo fianakaviany, ary ireo olona rehetra izay an'i Kora, ary koa ireo fananany rehetra. 33 Dia latsaka velona tany amin'ny fiainan-tsy hita izy ireo sy ireo rehetra tao amin'ireo fianakaviany. Nikatona teo ambonin'izy ireo ny tany, ary tamin'izany no nahafongotra azy ireo teo afovoan'ny fivondronana. 34 Ireo Israely rehetra manodidina azy ireo dia nandositra tamin'ireo hiakiakany. Nihiaka izy ireo hoe: ''Mety hitelina antsika ihany koa ny tany!" 35 Dia nitselatra ny afo avy tamin'i Yaveh ary nandrapaka ireo 250 olona izay nanolotra ditin-kazo manitra. 36 Dia niresaka tamin'i Mosesy indray i Yaveh ary niteny hoe: 37 ''Miresaha amin'i Eleazara zanaka lahin'i Arona mpisorona ary aoka izy hamono ny afo amin'ny fandorana ny ditin-kazo manitra, fa ny fitondran'afo dia voatokana ho ahy. Dia avelao izy hampiely ny vain'afo any alavitra. 38 Alaivo ireo fitondran'afon'ireo izay namoy ny ainy nohon'ny fahotany. Aoka ireny ho atao lovia voatefy mba ho fandrakofana ny alitara. Nanolotra ireny teo anoloako ireny olona ireny, ka voatokana ho Ahy ireny. Ho famantarana ny fisiako amin'ireo vahoakan'Israely ireo. 39 Naka ireo fitondran'afo varahina i Eleazara mpisorona izay nampiasain'ireo olona izay may, ary dia notefena ho fandrakofana ho an'ny alitara ireo, 40 mba ho fampahatsiahivana ho an'ireo vahoakan'Israely, mba tsy hisy vahiny izay tsy taranaka avy amin'i Arona ho avy handoro ditin-kazo manitra manoloana an'i Yaveh, ka tsy ho tonga tahaka an'i Kora sy ny tariny izy ireo—araka izay efa nandidian'i Yaveh tamin'ny alalan'i Mosesy. 41 Fa ny ampitso maraina dia nitaraina tamin'i Mosesy sy Arona ny fivondronan'ny vahoakan'Israely rehetra. Hoy izy ireo hoe: ''Novonoinareo ny vahoakan'i Yaveh.'' 42 Ary niseho izany, rehefa nivory hanohitra an'i Mosesy sy Arona ny fivondronana rehetra, raha nijery tao amin'ny trano-lay fihaonana izy ireo, ary, indro, nandrakotra izany ny rahona. Niseho ny voninahitr'i Yaveh, 43 ary Mosesy sy Arona dia nankeo anoloan'ny trano-lay fihaonana. 44 Dia niteny tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy Izy: 45 ''Mialà lavitra tsy ho eo anoloana an'io fivondronana io mba hahafahako mandevona azy avy hatrany.'' Dia nampiondrika ny tavany tamin'ny tany i Mosesy sy Arona. 46 Hoy i Mosesy tamin'i Arona: ''Alaivo ny fitondran'afo, asio afo avy eo amin'ny alitara, asio ditin-kazo manitra ao anatin'izany, ento faingana any amin'ny fivondronana izany, ary manaova fanavotana ho azy ireo, satria tonga avy amin'i Yaveh ny fahatezerana. Niatomboka ny areti-mandringana.'' 47 Dia nanao araka izay natoron'i Mosesy i Arona. Nihazakazaka ho eo afovoan'ny fivondronana izy. Efa nanomboka niparitaka faingana teo amin'ny olona ny areti-mandringana, koa nampidiriny ny ditin-kazo manitra ka nanao fanavotana ho an'ny olona izy. 48 Nitsangana teo anelanelan'ny velona sy ny maty i Arona; ka tamin'izany dia nitsahatra ny areti-mandringana. 49 Ireo izay matin'ny areti-mandringana dia 14 700, ankoatra ireo izay maty nohon'ny amin'i Kora. 50 Niverina tany amin'i Mosesy teo amin'ny fidiran'ny trano-lay fihaonana i Arona, dia nitsahatra ny areti-mandringana.