Toko faha 15

1 Ary niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy Izy:" 2 Miresaha amin'ny vahoakan'i Israely ary teneno izy ireo hoe: 'Rehefa handeha any amin'ny tany izay honenanareo ianareo, dia izay homen'i Yaveh anareo, 3 dia hanomana fanatitra amin'ny afo ho an'i Yaveh ianareo, na fanatitra dorana na sorona mba hanatanterahana voady na fanatitra an-tsitra-po, na fanatitra amin'ny fanasanareo, mba hamokatra hanitra ankasitrahana ho an'i Yaveh, avy amin'ny omby na ondry. 4 Aoka hanolotra sorona dorana ho an'i Yaveh ianareo ary koa ampahafolon'ny efaha amin'ny lafarina tsara toto voaharoharo amin'ny menaka ampahefatry ny hina ho fanatitra hohanina. 5 Aoka hanolotra divay ampahefatry ny hina ho fanatitra sotroina ho an'ny zanak'ondry tsirairay ihany koa ianareo, miaraka amin'ny fanatitra dorana, na ho an'ny sorona. 6 Raha manolotra ondry lahy ianareo, dia aoka hanomana lafarina tsara toto roa ampahafolon'ny efaha voaharo amin'ny menaka ampahatelon'ny hina ianareo ho fanatitra hohanina. 7 Ny amin'ny fanatitra sotroina, aoka hanolotra divay ampahatelon'ny hina ianareo. Hamokatra hanitra mani-pofona ho an'i Yaveh izany. 8 Raha manomana omby ho fanatitra dorana ianareo na ho sorona hanatanterahana voady, na ho fanatim-piombonana amin'i Yaveh, 9 dia aoka hanolotra lafarina tsara toto ampahatelon'ny efaha voaharo amin'ny menaka antsasaky ny hina miaraka amin'ny omby ianareo ho fanatitra hohanina. 10 Aoka hanolotra divay antsasaky ny hina ianareo ho fanatitra sotroina, toy ny fanatitra vita amin'ny afo, mba hamokatra hanitra manim-pofona ho an'i Yaveh. 11 Aoka ho vita ho an'ny omby tsirairay izany fomba izany, ho an'ny ondry lahy tsirairay, ary ho an'ny zanak'ondry lahy tsirairay na koa osy tanora . 12 Ny sorona tsirairay izay omaninareo sy atolotrareo dia aoka ho vita tahaka ny voafaritra eto. 13 Ny tera-tany Israelita rehetra dia aoka hanao ireo zavatra ireo amin'io fomba io, rehefa misy olona mitondra sorona vita amin'ny afo, mba hamokatra hanitra izay ankasitrahan'i Yaveh. 14 Raha misy vahiny mitoetra miaraka aminareo, na koa izay rehetra mety honina eo aminareo mandritra ny taranaky ny vahoakanareo, dia aoka hanao fanatitra vita amin'ny afo izy, mba hamokatra hanitra manim-pofona ho an'i Yaveh. Aoka hanao toy ny fanaonareo izy. 15 Aoka ho lalàna mitovy ho an'ny fiaraha-monina sy ho an'ny vahiny izay mitoetra miaraka aminareo izany, lalàna maharitra mandritra ny taranaky ny vahoakanareo. Tahaka anareo, no aoka hitoeran'ireo mpandeha ihany koa eo aminareo. Aoka hanao toy ny fanaonareo eo anatrehan'i Yaveh izy. 16 Aoka ho didy aman-dalàna mitovy no ampiharina aminareo sy amin'ny vahiny izay mitoetra miaraka aminareo.'" 17 Mbola niresaka tamin'i Mosesy indray i Yaveh. Hoy Izy: 18 "Miresaha amin'ny vahoakan'i Israely ary teneno izy ireo hoe: 'Raha tonga eo amin'ny tany izay hakako anareo ianareo, 19 raha mihinana ny sakafo vokatra eo amin'ny tany ianareo, dia aoka hanolotra fanatitra sy haneho izany Amiko ianareo. 20 Avy amin'ny voalohan-kobanareo no tsy maintsy anateranareo mofo mba hampiakarina izany ho fanatitra asandratra avy amin'ny fikororohana. Aoka hanandratra izany ambony amin'izany fomba izany ianareo. 21 Aoka hanome fanatitra asandratra ho Ahy ianareo mandritra ny taranaky ny vahoakanareo avy amin'ny voalohan-kobanareo. 22 Hanota tsy nahy ianareo indraindray, raha tsy mankatò ireo didy rehetra izay efa noresahako tamin'i Mosesy ireo ianareo— 23 ny zavatra rehetra izay efa nandidiako anareo tamin'ny alalan'i Mosesy hatramin'ny andro izay nanombohako nanomezana didy ary mitohy mandritra ireo taranaky ny vahoakanareo. 24 Amin'ny trangan'ny fahotana tsy nahy amin'ny tsy fahalalan'ny fiaraha-monina, dia aoka hanolotra vatotr'ombilahy iray ny fiaraha-monina manontolo ho fanatitra dorana mba hamokatra hanitra manim-pofona ho an'i Yaveh. Miaraka amin'izany dia ho vita ny fanatitra hohanina sy fanatitra sotroina, tahaka nandidiana tamin'ireo didy, ary osy lahy iray ho fanatitra noho ny ota. 25 Aoka hanao fanavotana ho an'ny fiaraha-monin'ny vahoaka Israely rehetra ny mpisorona. Ho voavela heloka izy ireo satria fahadisoana ny fahotana. Efa nitondra ny sorony izy ireo, ilay fanatitra vita tamin'ny afo ho Ahy. Efa nitondra ny fanatitra noho ny otany teo anoloako izy ireo ho an'ny fahadisoan'izy ireo. 26 Dia ho voavela heloka avokoa ny fiarahamonin'ny vahoakan'Israely, sy ireo vahiny mitoetra miaraka amin'izy ireo ihany koa, satria nahavita heloka tsy nahy avokoa ny vahoaka rehetra. 27 Raha manota tsy nahy ny olona iray, dia aoka hanolotra osy vavy herintaona ho fanatitra noho ny ota izy. 28 Aoka hanao fanavotana eo anatrehan'i Yaveh ny mpisorona ho an'ny olona izay nanota tsy nahy. Ho voavela heloka izany olona izany rehefa vita ny fanavotana. 29 Aoka hanana lalàna mitovy ianareo ho an'izay manao zavatra tsy nahy, lalàna mitovy ho an'izay tera-tany eo amin'ny vahoakan'Israely sy ho an'ny vahiny izay mitoetra eo amin'izy ireo. 30 Fa ny olona izay manao zavatra amin'ny fihantsiana, na tera-tany izy na vahiny, dia miteny ratsy Ahy. Aoka ho fongorana eo amin'ny vahoakany izany olona izany. 31 Satria efa nanao tsinontsinona ny teniko izy ary nandika ny didiko, dia aoka ho fongorana tanteraka izany olona izany. Ho aminy anie ny fahotany.'" 32 Raha mbola tany an-tany efitra ny vahoakan'Israely, dia nahita lehilahy nanangona hazo tamin'ny andro sabata izy ireo. 33 Ireo izay nahita azy dia nitondra azy tany amin'i Mosesy, Arona, ary ny fiaraha-monina rehetra. 34 Notanan'izy ireo am-ponja izy satria mbola tsy voalaza izay tokony natao taminy. 35 Dia nilaza tamin'i Mosesy i Yaveh hoe: "Aoka ho vonoina tokoa ilay lehilahy. Aoka ny fiaraha-monina rehetra hitora-bato azy any ivelan'ny toby." 36 Koa nitondra azy ivelan'ny toby ny fiaraha-monina rehetra ary nitora-bato azy ho faty araka izay efa nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. 37 Mbola niresaka tamin'i Mosesy indray i Yaveh. Hoy Izy: 38 "Miresaha amin'ny taranak'Israely ary mandidia azy ireo mba hanao somitr'aviavy ho an'ny tenan'izy ireo hiraviravy avy eo amin'ny moron'akanjon'izy ireo, mba hampiraviravy azy ireo isaky ny morony amin'ny tady mangamanga. Aoka hanao izany izy ireo mandritra ny taranaky ny vahoakany. 39 Ho fampahatsiahivana manokana ho anareo ireo didiko rehetra izany, mba hanatanteraka azy ireo ka tsy hijerenareo manokana ny fonareo sy ny masonareo ka hivarotanareo tena amin'izy ireo. 40 Ataovy izany mba hahatsiarovanareo sy hankatoavanareo ny didiko rehetra, ary mba ho masina ianareo, natokana ho Ahy, Andriamanitrareo. 41 Izaho no Yaveh Andriamanitrareo, izay nitondra anareo nivoaka ny tany Egypta, mba ho lasa Andriamanitrareo. Izaho no Yaveh Andriamanitrareo."