1 Tamin'izany alina izany dia nitomany mafy ny fiangonana rehetra. 2 Nitsikera an'i Mosesy sy Arona ny vahoakan'Israely rehetra. Hoy ny fiangonana manontolo tamin'izy ireo: ''Naleonay maty tany amin'ny tany Egypta, na eto amin'ity efitra ity! 3 Nahoana no nitondra anay tamin'ity tany ity mba ho fatin-tsabatra Yaveh? Hanjary ho lasibatra amin'izany ny vadinay sy ny zanakay. Moa ve tsy tsara ho anay ny miverina any Egypta?'' 4 Nifampiteny izy ireo hoe: ''Ndeha isika hifidy mpitarika hafa, ka ndeha isika hiverina any Egypta.'' 5 Dia niankohoka tamin'ny tavany teo anoloan'ny fivorian'ny fiangonan'ny vahoakan'Israely rehetra i Mosesy sy Arona. 6 Nandrovitra ny fitafian'izy ireo i Josoa zanak'i Nona sy Kaleba zanak'i Jefone, izay sasany tamin'ireo nalefa mba hisafo ny tany. 7 Niteny tamin'ny fiangonan'ny vahoakan'i Israely rehetra izy ireo. Hoy izy ireo: "Ny tany izay nandehananay sy nosafoinay dia tany soa tokoa. 8 Raha mankasitraka antsika Yaveh, dia hitondra antsika any amin'izany tany izany sy hanome izany ho antsika Izy. Dia tany tondra-dronono sy tantely. 9 Nefa aza mikomy amin'i Yaveh, ary aza matahotra ny mponin'ny tany. Handevona azy ireo mora foana tahaka ny hanina isika. Ho esorina amin'izy ireo ny fiarovana azy ireo, satria momba antsika Yaveh. Aza matahotra azy ireo.'' 10 Fa nandrahona hitora-bato hamono azy ireo ny fiangonana rehetra. Dia niseho tao amin'ny trano-lay fihaonana tamin'ny vahoakan'Israely rehetra ny voninahitr'i Yaveh. 11 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: ''Mandra-pahoviana no hanaovan'ity vahoaka ity tsinontsinona Ahy? Mandra-pahoviana no tsy hatokian'izy ireo Ahy, na dia teo aza ireo famantarana ny heriko rehetra izay efa nataoko teo amin'izy ireo? 12 Hamely azy ireo amin'ny areti-mandringana Aho, tsy hampandova azy ireo, ary hanangana firenena izay ho lehibe sy mahery noho izy ireo avy amin'ny fokonao ihany Aho.'' 13 Hoy Mosesy tamin'i Yaveh: "Raha manao izany Ianao, dia handre ny momba izany ny Egyptiana, satria efa namonjy ity vahoaka ity tamin'izy ireo tamin'ny herinao Ianao. 14 Hilaza izany amin'ireo mponin'ity tany ity izy ireo. Efa ren'izy ireo fa Ianao, Yaveh, no miaraka amin'ity vahoaka ity, satria efa hita nifanatri-tava Ianao. Nijoro teo amin'ny vahoakanay ny rahonao. Nialoha azy ireo tamin'ny andry rahona Ianao ny andro ary tamin'ny andry afo ny alina. 15 Ankehitriny raha mamono ity vahoaka ity tahaka ny olona iray Ianao, dia hiteny ireo firenena izay nandre ny lazanao ka hanao hoe: 16 'Satria tsy nahavita nitondra ity vahoaka ity tany amin'ny tany izay nianianany homena azy ireo Yaveh, dia novonoiny tany an'efitra izy ireo.' 17 Ankehitriny, mitalaho Aminao aho, ampiasao ny herinao lehibe. Fa efa nilaza Ianao hoe: 18 'Tsy malaky tezitra Yaveh ary tsy mivadi-panekena. Mamela heloka sy fahotana Izy. Tsy mba manamarina ny meloka Izy fa mamaly ny fahotan'ny razambe amin'ny taranak'izy ireo, dia amin'ny taranaka fahatelo sy fahefatra.' 19 Mamelà, mitalaho Aminao aho, ny fahotan'ity vahoaka ity nohon'ny halehiben'ny famindram-ponao, tahaka ny efa namelanao mandrakariva ity vahoaka ity nanomboka tamin'ny fotoana naha-tany Egypta azy ireo mandraka ankehitriny.'' 20 Hoy Yaveh: ''Efa namela azy ireo amin'ny fanatanterahana ny fangatahanao Aho, 21 nefa marina tokoa, raha velona koa Aho, ary raha ho feno ny voninahitro koa ny tany rehetra, 22 ireo olona rehetra izay nahita ny voninahitro sy ny famantarana ny hery izay nataoko tany Egypta sy tany an'efitra ireo—dia mbola naka fanahy Ahy izay impolo izay izy ireo ary tsy nihaino ny feoko. 23 Koa milaza Aho fa tsy hahita ny tany izay efa nianianako tamin'ireo razambeny tokoa izy ireo. Tsy hisy na iray amin'ireo izay nanao tsinontsinona Ahy hahita izany, 24 afa-tsy i Kaleba mpanompoko, satria manana fanahy hafa izy. Efa nanaraka Ahy tanteraka izy; dia hitondra azy ao amin'ny tany izay nandehanany hosafoina Aho. Haka izany ho fananany ireo taranany. 25 (Ary ireo Amalekita sy Kananita dia nonina tany an-dohasaha.) Miverena ka mandehana any an'efitra amin'ny lalana mankany amin'ny Ranomasina Mena rahampitso.''' 26 Niteny tamin'i Mosesy sy Arona Yaveh. Hoy Izy: 27 ''Mandra-pahoviana no handeferako ity fiangonana ratsy izay manakihana Ahy ity? Efa reko ny fitarainan'ny vahoakan'ny Israely ny Amiko. 28 Lazao amin'izy ireo hoe: 'Raha velona koa Aho', hoy Yaveh, 'araka ny nolazainareo teo an-tsofiko, no hanaovako izao aminareo Aho: 29 Hiampatra any an'efitra ny fatinareo, dia ianareo rehetra izay nitaraina ny Amiko, ianareo izay voaisa tamin'ny fanisam-bahoaka, ny fitambaran'isan'ny olona roapolo taona no ho miakatra. 30 Tsy hiditra any amin'ny tany izay nampanantenaiko hataonareo fonenana tokoa ianareo, afa-tsy Kaleba zanak'i Jefone sy Josoa zanak'i Nona. 31 Nefa ny zanakareo izay lazainareo fa ho lasibatra, dia ho entiko miditra ao amin'ny tany izy ireo. Hiaina any amin'ny tany izay nolavinareo izy ireo! 32 Ary ny aminareo, hiampatra any an'efitra ny fatinareo. 33 Ho mpiandry ondry any an'efitra mandritra ny efapolo taona ireo zanakareo. Tsy maintsy hizaka ny vokatry ny asa fikomianareo mandra-pahafatinareo any an'efitra izy ireo. 34 Tahaka ny isan'ny andro izay nisafoanareo ny tany—efapolo andro, dia tsy maintsy hizaka ny vokatry ny fahotanareo mandritra ny efapolo taona toy izany koa ianareo—herintaona ho an'ny iray andro, dia ho fantatrareo hoe ahoana izany ho fahavaloko izany. 35 Izaho, Yaveh, no efa niteny. Hataoko ho an'ity fiangonana ratsy izay miara-miangona hanohitra Ahy ity tokoa izany. Hofongorina tanteraka izy ireo, ka ho faty eto.''' 36 Koa ireo lehilahy izay nirahin'i Mosesy mba hijery ny tany 37 dia matin'ny areti-mandringana teo anatrehan'i Yaveh avokoa. Ireo dia ny lehilahy izay niverina ka nitati-dratsy momba ny tany. Izany no nampitaraina ny fiangonana rehetra ny amin'i Mosesy. 38 Amin'ireo lehilahy izay nandeha mba hijery ny tany, dia i Josoa zanak'i Nona sy Kaleba zanak'i Jefone ihany no ho sisa velona. 39 Rehefa nitatitra ireo teny ireo tamin'ny vahoakan'ny Israely rehetra i Mosesy, dia nalahelo mafy izy ireo. 40 Nifoha maraim-be izy ireo ka nankany an-tampon-tendrombohitra ary nanao hoe: ''Indro, indreto izahay, ary handeha ho any amin'ny toerana izay nampanantenain'i Yaveh, fa efa nanota izahay.'' 41 Nefa hoy Mosesy: ''Nahoana ianareo no mandika ny didin'i Yaveh ankehitriny? Tsy hahomby ianareo. 42 Aza mandeha, satria tsy momba anareo hanakana anareo tsy ho resin'ny fahavalonareo Yaveh. 43 Any ireo Amalekita sy ireo Kananita, ka ho fatin-tsabatra ianareo satria efa nihodina tamin'ny fanarahana an'i Yaveh ianareo. Koa tsy homba anareo Izy.'' 44 Nefa nahasahisahy niakatra tany amin'ny tany havoana izy ireo; na izany aza, dia tsy niala tao an-toby na i Mosesy na ny fiaran'ny faneken'i Yaveh. 45 Dia nidina ireo Amalekita, sy ireo Kananita izay nonina tao amin'ireo havoana ireo koa. Nanafika ireo Israelita sy nandresy azy ireo teny an-dalana mankany Horma rehetra izy ireo.