1 Niresaka tamin'i Mosesy Yaveh. 2 Hoy Izy hoe: ''Miresaha amin'ny vahoakan'Isarely ary makà tehina avy amin'izy ireo, iray isaky ny tsirairay amin'ireo fokon-drazana, dia tehina roa ambin'ny folo. Soraty eo amin'ny tehiny avy ny anaran'ny olona tsirairay. 3 Aoka ho soratanao eo amin'ny tehin'i Levy ny anaran'i Arona. Tsy maintsy misy tehina iray avy amin'ny fokon-drazany ho an'ny mpitarika tsirairay. 4 Tsy maintsy apetrakao ao amin'ny trano-lay fihaonana eo anoloan'ny lalàn'ny fanekena, izay hihaonako aminao ireo thehina. 5 Ary ny tehin'ny olona izay fidiako dia hitsimoka. Hatsahatro ny fitarainana avy amin'ireo olona, izay ambarany hanoherana anao." 6 Koa dia niteny tamin'ireo vahoakan'Israely i Mosesy. Nanome tehina azy avokoa ireo mpitarika ara-poko, tehina iray avy ho an'ireo mpitarika tsirairay, izay notendrena avy amin'ny fokon-drazana isan'isany, tehina roa ambin'ny folo no fitambarany. Tao anatin'izany ny tehin'i Arona. 7 Avy eo dia napetrak'i Mosesy teo anatrehan'i Yaveh tao amin'ny lain'ny lalàn'ny fanekena ireo tehina. 8 Ny ampitso dia niditra tao amin'ny lain'ny lalàn'ny fanekena i Mosesy, ary indro, naniry ny tehin'i Arona ho an'ny fokon'i Levy. Naniry kibory izany ary namoa felany sy amygdala! 9 Nentin'i Mosesy nivoaka tsy ho eo anatrehan'i Yaveh ho eo amin'ny vahoakan'Israely manontolo ireo tehina rehetra, ary samy naka ny tehiny avy ny olona tsirairay. 10 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Apetraho eo anoloan'ny lalàn'ny fanekena ny tehin'i Arona. Tehirizo ho famantaran-keloka hanohitra ireo olona izay nikomy izany mba hanatsaharanao ny fitarainana manohitra Ahy, raha tsy izany dia ho faty izy ireo.'' 11 Nanao araka izay nandidian'i Yaveh azy i Mosesy. 12 Niteny tamin' i Mosesy ny vahoakan'Israely ka niteny hoe: ''Ho faty aty isika. Ho ringana avokoa isika rehetra! 13 Izay rehetra miakatra, izay manatona ny tabernakelin'i Yaveh, dia ho faty. Dia tsy maintsy ho faty ve isika rehetra?''