1 Ankehitriny mihainoa izay lazain'i Yaveh: ''Mitsangàna ary alaharo eo anatrehan'ireo tendrombohitra ny raharahanareo; aoka ireo havoana handre ny feonareo. 2 Mihainoa ny adin'i Yaveh, ianareo tendrombohitra, sy ianareo fanambany maharitry tany. Fa manana ady amin'ny vahoakany Yaveh, ary hiady hanohitra ny Israely eo amin'ny fitsarana Izy.'' 3 ''Ry oloko, inona no nataoko anareo? Ahoana no nandrerahako anareo? Mijoroa vavolombelona hanohitra Ahy! 4 Fa nentiko niakatra hivoaka ny tany Egypta ianareo ary navotako hivoaka ny trano fanandevozana. Naniraka an'i Mosesy, Arona, ary Miriama taminareo Aho. 5 Ry oloko, tsarovy izay noheverin'i Balaka mpanjakan'i Moaba, sy ny fomba namalian'i Balama zanak'i Beora azy raha nandeha nankany Sitima ka hatrany Gilgala ianareo, mba hahafahanareo mahafantatra ny asa-marin'i Yaveh.'' 6 Inona no tokony ho entiko ho an'i Yaveh, raha miankohoka eo amin'Andriamanitra Avo aho? Tokony ho tonga eo Aminy miaraka amin'ny fanatitra dorana, amin'ny zanak'omby herintaona ve aho? 7 Moa ve Yaveh hankasitraka ondrilahy an'arivony, na onin-diloilo an'aliny? Tokony hanolotra ny lahimatoako noho ny heloko ve aho, ilay naterako noho ny fahotako ihany? 8 Efa niteny anao Izy, ry olona, hoe inona ny tsara, ary inona no takian'i Yaveh aminao: Manaova ny marina, tiava amim-pahatsorana, ary mandehana amim-panetren-tena miaraka amin'Andriamanitrao. 9 Manao fanambarana amin'ny tanàna ny feon'i Yaveh— na ny fahendrena aza ankehitriny dia miaiky ny anaranao: ''Henoy ny tsora-kazo, sy ny olona izay nametraka izany tamin'ny fitoerany. [Fanamarihana: Raha tokony hoe: ''Henoy ny tsora-kazo sy ny olona izay nametraka izany tao amin'ny fitoerany'' no ao amin'ny lahatsoratra Hebreo, ireo dikan-teny sasany vaovao manao hoe: ''Mihainoa, ry foko, sy izay miara-miangona ao an-tanàna.''] 10 Misy harena ao an-tranon'ny ratsy fanahy tsy marina, ary fandrefesana mandainga izay fahavetavetana. 11 Tokony hihevitra ny olona ho tsy manan-tsiny ve Aho raha mampiasa mizàna mandainga izy, miaraka amin'ny harona fandanjana mamitaka? 12 Feno herisetra ny mpanan-karena, efa nilaza lainga ireo mponina, ary mpamitaka ny lelany ao am-bavany. 13 Noho izany dia namely anao tamin'ny ratra maharary Aho, efa nataoko ho rava noho ireo fahotanao ianao. 14 Hihinana ianao fa tsy ho afa-po; hitoetra ao anatinao ny hanoananao. Hanangona harena ianao fa tsy hahangona, ary izay voahangonao dia homeko ny sabatra. [Fanamarihana: Sarotra takarina ny ampahany amin'ity andininy ity, satria misy teny Hebreo roa ao amin'izany izay tsy fantatra ny dikany. Vokatr'izany, ireo vakiteny maro samihafa dia nanolotra fa manaraka ny dikan-teny sasany vaovao.] 15 Hamafy ianao fa tsy hijinja; hanitsakitsaka oliva ianao fa tsy hihosotra diloilo; hanosihosy voaloboka ianao fa tsy mba hisotro divay. 16 Ireo fitsipika nataon'i Omry dia efa voatandrina, ary ireo asan'ny taranak'i Ahaba rehetra. Mandeha araka torohevitr'izy ireo ianao. Koa hataoko, ho faharavana, ianao ry tanàna, ary zavatra mampisitrisitra ianareo ry mponina, ary hizaka latsa tahaka ny vahoakako ianareo.'' [Fanamarihana: Ny lahatsoratra Hebreo dia manao hoe: ''hizaka latsa tahaka ny oloko ianao'', ireo dikan-teny Grika taloha manao hoe: ''hizaka ny latsan'ireo firenena ianao''. Ireo dikan-teny vaovao sasany dia manaraka io vakiteny io.]