Toko faha 5

1 Ankehitriny miaraha tonga ao amin'ny filaharan'ady, ry zanakavavin'ireo miaramila; efa nametraka tovon-tany manodidina ny tanàna ireo miaramila, amin'ny tsora-kazo no hamelezany ny mpitsaran'ny Israely eo amin'ny takolany. [Fanamarihana: Raha tokony hoe ''miaraha tonga ao amin'ny filaharan'ady'' ireo mpandika teny sasany mandika hoe ''tapaho ny tenanareo'', manondro ny fanompoan-tsampin'ny fitetehan-tena raha mivavaka amin'ireo sampy. Ireo dikan-teny sasany vaovao ihany koa dia manaraka ny dikan-teny taloha izay vakiana hoe ''atsangano ireo fiarovanareo''.] 2 Nefa ianao, ry Betlehema Efrata, na dia kely indrindra eo amin'ireo fokon'i Joda aza ianao, dia ao aminao no ivoahan'ny olona hankeo Amiko mba hanapaka ny Israely, izay hatramin'ireo fotoana fahiny ny fiandohany, ka haharitra mandrakizay. 3 Noho izany dia hahafoy azy ireo Andriamanitra, hatramin'ny fotoana hitrotroan'izay mihetsi-jaza zazakely, ary ny tavela amin'ireo anadahiny dia hiverina any amin'ny vahoakan'Israely. 4 Hijoro Izy ary hiandry ny ondry aman'osiny amin'ny herin'i Yaveh, amin'ny voninahitry ny anaran'i Yaveh Andriamaniny. Hitoetra izy ireo, ary satria ho lehibe hatrany amin'ny faran'ny tany Izy. 5 Ho fiadanantsika Izy. Rehefa tonga ao amin'ny tanintsika ireo Asyriana, rehefa manao diabe hanohitra ireo fiarovana mafintsika izy ireo, dia hitsangana hanohitra azy ireo amin'ny mpiandry ondry fito sy mpitarika valo amin'ireo olona isika. 6 Hiandry ny tanin'ny Asyria amin-tsabatra izy ireo, ary eo fidirana ao amin'izany ny tanin'i Nimroda. [Fanamarihana: Ny lahatsoratra Hebreo dia manao hoe ''eo amin'ny fidirana ao amin'izany'', izany hoe, eo amin'ireo vavahadiny. Na izany aza, ireo dikan-teny vaovao sasany dia mihevitra fa ny teny Hebreo hafa dia noheverina hoe: ''amin'ny sabatra voatsoaka''.] Hanavotra antsika amin'ny Asyriana Izy, rehefa tonga ao amin'ny tanintsika izy ireo, rehefa manao diabe anatin'ny faritanintsika izy ireo. 7 Ny sisa tavela amin'i Jakoba dia ho eo afovoan'ireo vahoaka maro, tahaka ny ando avy amin'i Yaveh, tahaka ny ranon'orana eo amin'ny ahi-maitso, izay tsy miandry olona, ary tsy miandry ny zanak'olombelona izy ireo. 8 Ny sisa tavela amin'i Jakoba dia ho eo amin'ireo firenena, eo amin'ireo vahoaka maro, tahaka ny liona eo amin'ireo biby any an'ala, tahaka ny liona tanora eo amin'ireo andian'ondry. Rehefa mamakivaky eo amin'ireo izy, dia hanosihosy ireo sy hamotipotika ireo, ary tsy hisy olona hamonjy azy ireo. 9 Hisandratra hamely ireo fahavalonao ny tananao, ka hamotika azy ireo izany. 10 ''Izao no hitranga amin'izany andro izany'' hoy Yaveh ''Hovonoiko eo aminao ireo soavalinao ary hopotehiko ireo kalesinao. 11 Horavàko ireo tanàna ao amin'ny taninao ary harodako ny mandanao rehetra. 12 Hopotehiko ny sikidy eo an-tananao, ary tsy hanana mpisikidy intsony ianao. 13 Hopotehiko ireo sary sokitrao sy ireo tsangam-batonao eo aminao. Tsy hanompo ny asa-tananao intsony ianao. 14 Hofongoriko eo aminao ireo baon'aserahanao, ary horavàko ireo tanànanao. 15 Hanatanteraka valifaty amim-pahatezerana sy fahavinirana eo amin'ireo firenena izay tsy nankatò Aho.''