1 Fa amin'ny andro farany dia hiorina eo amin'ireo tendrombohitra hafa ny tendrombohitry ny tranon'i Yaveh. Hasandratra ambonin'ireo havoana izany, ary hitanjozotra hankany amin'izany ireo vahoaka. 2 Handeha ireo firenena maro ka hanao hoe: ''Avia, andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr'i Yaveh, any an-tranon'Andriamanitr'i Jakoba. Hampianatra antsika ireo fombany Izy, ary handeha amin'ireo lalany isika.'' Fa avy ao Ziona no ivoahan'ny lalàna, ary avy ao Jerosalema ny tenin'i Yaveh. 3 Hitsara amin'ireo vahoaka maro Izy ary hanapa-kevitra mahakasika ireo firenana maro lavitra. Hively ny sabatr'izy ireo ho angady izy ireo ary ny lefony ho fanetezana. Tsy hanangana sabatra hifamely ny firenena, na hizatra ho amin'ny ady intsony. 4 Fa kosa, hametraka ny olona tsirairay ambanin'ny voalobony sy ambanin'ny hazon'aviaviny izy ireo. Tsy hisy olona hampitahotra azy ireo, fa ny vavan'i Yaveh Tompon'ny maro no efa niteny. 5 Fa ny vahoaka rehetra dia mandeha, ny tsirairay, amin'ny anaran'ny andriamaniny. Fa isika dia handeha amin'ny anaran'i Yaveh Andriamanitsika mandrakizay doria. 6 ''Amin'izany andro izany'' hoy Yaveh dia ''Hanangona ny malemy sy hamory ireo voaroaka Aho, dia ireo izay nampahoriako. 7 Hataoko ho sisa tavela ny malemy, ary ho firenena matanjaka ireo izay voaroaka, ary Izaho, Yaveh, no hanjaka amin'izy ireo ao an-Tendrombohitr'i Ziona, ankehitriny ary mandrakizay. 8 Ary ianao, ry tilikambo fiambenana ny ondry aman'osy, havoan'ny zanakavavin'i Ziona— dia ho tonga aminao izany, haverina ny fanapahanao taloha, dia ny fanjakana izay an'ny zanakavavin'i Jerosalema. 9 Ankehitriny, nahoana no mihiaka mafy ianao? Tsy misy mpanjaka ve eo aminao? Maty ve ny mpanolotsainao? Izany ve no mahatonga ny fanaintainana mahazo anao tahaka ny an'ny vehivavy eo am-piterahana? 10 Aoka hanaintaina ary hihetsi-jaza raha hiteraka, ry zanakavavin'i Ziona, tahaka ny vehivavy miteraka. Fa ankehitriny ianao dia hivoaka ny tanàna, hitoetra any an-tsaha, ary handeha any Babylona. Any no hanavotana anao. Any no hanavotan'i Yaveh anao eo an-tanan'ireo fahavalonao. 11 Ankehitriny mivondrona hanohitra anao ireo firenena maro; hoy izy ireo: 'Aoka ho voaloto izy; aoka ny masontsika hifaly amin'i Ziona.''' 12 Hoy ny mpaminany: '''Tsy fantatr'izy ireo ny eritreritr'i Yaveh, sady tsy takany ny fikasany, fa efa namory azy ireo tahaka ny amboara ho eo am-pamoloana Izy.'' 13 Hoy Yaveh: ''Mitsangàna ka miveleza, ry zanakavavin'i Ziona, fa hataoko vy ny tandrokao, ary hataoko varahina ny kitronao. Hanorotoro vahoaka maro ianao. Izaho hanokana ireo hareny tsy ara-drariny ho an'ny tenako, Yaveh, ny fananan'izy ireo ho Ahy, ilay Tompon'ny tany manontolo.''