Toko faha 3

1 Hoy aho: ''Mihainoa ankehitriny, ianareo ry mpitarik'i Jakoba sy mpanapaka ny taranak'Israely: Moa ve tsy mety aminareo ny mahatakatra ny fahamarinana? 2 Ianareo izay mankahala ny tsara sy tia ny ratsy, ianareo izay manendaka ny hoditr'izy ireo, ny nofon'izy ireo amin'ny taolany— 3 ianareo izay mihinana ny nofon'ny oloko ihany koa, ary manendaka ny hodiny, manapaka ny taolany, ary mamakivaky azy ireo, tahaka ny hena atao ao am-bilany, tahaka ny hena atao ao amin'ny fandrahoan-kena. 4 Dia hiantso mafy an'i Yaveh ianareo mpanapaka, nefa tsy hamaly anareo Izy. Hanafina ny tavany aminareo Izy amin'izany fotoana izany, satria efa nanao asa ratsy ianareo.'' 5 Izao no lazain'i Yaveh momba ireo mpaminany izay nampirenireny ny oloko: ''Ho an'izay namahana azy ireo dia hilaza izy ireo hoe: 'Hisy fanambinana.' Fa ho an'izay tsy nanisy na inona na inona ao am-bavany, dia hanomboka hiady aminy izy ireo. 6 Noho izany, dia ho alina ho anareo izany ary tsy hisy fahitana ho anareo; ho maizina izany mba tsy hanaovanareo sikidy. Hilentika amin'ireo mpaminany ny masoandro, ary ho maizina amin'izy ireo ny andro. 7 Ho menarina ireo mpahita, ary ho very hevitra ireo mpisikidy. Hanampina ny molony izy rehetra, satria tsy misy valiny avy aty Amiko.'' 8 Fa raha ny amiko, dia feno hery noho ny Fanahin'i Yaveh aho, sady feno fahamarinana sy faherezana, mba hanambara amin'i Jakoba ny helony, sy amin'Israely ny fahotany. 9 Mihainoa izao, ianareo mpitarika ny taranak'i Jakoba, sy mpanapaka ny taranak'Israely, ianareo izay mankahala fahamarinana, sy manodina ny zava-marina rehetra. 10 Manangana an'i Ziona amin'ny rà sy Jerosalema amim-pahotana ianareo. 11 Mitsara noho ny kolikoly ireo mpitsaranareo, mampianatra noho ny tamby ireo mpisoronareo, ary maminany noho ny vola ireo mpaminaninareo. Nefa ianareo miankina amin'i Yaveh ka manao hoe: ''Moa tsy momba antsika ve Yaveh? Ka dia tsy hisy ratsy hahazo antsika.'' 12 Noho izany, noho ianao, dia hasaina toy ny saha i Ziona, ho korontam-bato i Jerosalema, ary ho tahaka ny havoana rakotr'ala ny havoan'ny tempoly.