1 Lozako! Fa ho ahy izany dia tahaka ny hoe tapitra ny fiotazana ny voankazo, sady ihany koa fanangonana ny ambim-boaloboka ao amin'ny tanimboaloboka: Tsy misy sampahom-boaloboka hita intsony, tsy nisy tamin'ireo aviavy nialin-taona izay niriako fatratra. 2 Nanjavona tamin'ny tany ny olona mahatoky, tsy misy olo-mahitsy ao amin'ny olombelona rehetra. Manotrika handatsa-drà avokoa izy rehetra; ny tsirairay mihaza ny rahalahiny amin'ny harato ny ihany. 3 Mailaka amin'ny fanaovan-dratsy ny tanan'izy ireo: mitaky vola ireo mpanapaka, vonona amin'ny kolikoky ny mpitsara, ary milaza amin'ireo hafa izay tiany ho azo ny lehilahy matanjaka. Dia toy izany no iarahany miteti-dratsy. 4 Ny tsara indrindra amin'izy ireo dia tahaka ny roy, ny mahitsy indrindra dia fefy tsilo. Izany dia andro efa voalazan'ireo mpitilinao mialoha, dia ny andro famaizana anareo. Izao no fotoan'ny fahaverezan-kevitr'izy ireo. 5 Aza mahatoky mpiara-belona; aza mametra-pitokiana amin'ny namana. Tandremo izay lazainao na dia amin'ny vehivavy izay mandry eo an-tsandrinao aza. 6 Fa haniratsira ny rainy ny zanaka lahy, hitsangana hanohitra an-dreniny ny zanaka vavy, ary ny vinanto vavy hanohitra ny rafozam-baviny. Ny olona ao an-tranony ihany no fahavalon'ny olona. 7 Fa raha izaho aloha, dia hijery an'i Yaveh aho, hiandry ny Andriamanitry ny famonjena ahy aho; handre ahy ny Andriamanitro. 8 Aza mifaly amiko, ry fahavaloko. Fa rehefa lavo aho, dia hiarina indray. Raha mipetraka ao amin'ny aizina aho, dia Yaveh no ho fahazavana ho ahy. 9 Satria nanota tamin'i Yaveh aho, dia hizaka ny hatezerany mandra-pandahany ny teniko, sy hanatanterahany fitsarana ho ahy. Hitondra ahy ho eo amin'ny fahazavana Izy, ary hahita Azy manavotra ahy ao amin'ny fahamarinany aho. 10 Dia hahita izany ireo fahavaloko, ka ny henatra no hanarona izay niteny tamiko hoe: ''Aiza Yaveh Andriamanitrao?'' Hijery azy ny masoko; ho voahosihosy tahaka ny fotaka eny an-dalana izy. 11 Ho tonga ny andro hananganana ny mandanao; amin'izany andro izany dia hitarina hatrany lavitra ireo faritaninao. 12 Amin'izany andro izany dia ho tonga aminao ny vahoakanao, avy any Asyria sy ireo tanàna any Egypta, avy any Egypta ka hatrany amin'ny renirano lehibe, Eofrata, avy amin'ny ranomasina ka hatrany amin'ny ranomasina, ary avy amin'ny tendrombohitra ka hatrany amin'ny tendrombohitra. 13 Ireo tany ireo dia hilaozana noho ny vahoaka izay mipetraka ao ankehitriny, noho ny vokatry ny asan'izy ireo. 14 Ambeno amin'ny tsora-kazonao ny vahoakanao, dia ny ondry aman'osin'ny lovanao. Mitoetra irery any an'ala izy ireo, eo afovoan'ny tanimboly. Aoka izy ireo hiraoka any Basana sy Gileada tahaka ny tamin'ny andro fahiny. 15 Tahaka ny tamin'ny andro izay nivoahanao ny tany Egypta, dia haneho fahagagana azy ireo Aho. 16 Hahita ary ho menatry ny heriny rehetra ireo firenena. Hitampim-bava izy ireo; harenina ny sofin'izy ireo. 17 Hilelaka ny vovoka tahaka ny bibilava, tahaka ny zava-boaary izay mikisaka amin'ny tany izy ireo. Hivoaka avy ao an-davany amin-tahotra izy ireo; ho avy amin-tahotra eo Aminao izy ireo, ry Yaveh Andriamanitray, ary hatahotra noho Ianao. 18 Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Ianao izay manala fahotana, Ianao izay mandalo ambonin'ny heloky ny sisa tavela amin'ny lovanao? Tsy mitàna ny fahatezeranao mandrakizay Ianao, satria tianao ny maneho ny famindram-ponao aminay. 19 Hangoraka anay indray Ianao; hanitsaka ireo helokay ao ambany tongotrao Ianao. Hanary ny otanay rehetra ao amin'ireo lalin'ny ranomasina Ianao. 20 Hanome ny marina ho an'i Jakoba sy famindram-po ho an'i Abrahama Ianao, tahaka ny nianiananao tamin'ireo razambenay tamin'ireo andro fahiny.