1 Niditra tao an-tsambokely Jesosy, niampita, ary tonga tao amin'ny tanànany. 2 Indro, nisy lehilahy mararin'ny paralysisa nandry teo am-pandriana noentin'izy ireo teo Aminy. Rehefa nahita ny finoan'izy ireo, dia hoy Jesosy tamin'ilay lehilahy mararin'ny paralesisa hoe: "Anaka, aoka ianao hifaly. Efa voavela ny helokao." 3 Indro, ny sasany tamin'ireo mpanora-dalàna nanao anakampo hoe: "Miteny ratsy io lehilahy io." 4 Fantatr'i Jesosy ny eritreritr'izy ireo ary niteny hoe: "Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo? 5 Fa iza no moramora kokoa no miteny azy hoe: 'Voavela ny helokao,' sa ny miteny hoe: 'mitsangàna ka mandehana?' 6 Fa mba ho fantatrareo fa ny zanak'olona dia manana fahefana hamela heloka eto ambonin'ny tany, ..." hoy Izy tamin'ilay mararin'ny paralisisa hoe: "Mitsangàna, batao ny fandrianao, ary mandehana any an-tranonao." 7 Avy eo nitsangana ilay lehilahy ary nankany an-tranony. 8 Rehefa nahita izany ny vaohaka, dia gaga izy ireo ary nidera an'Andriamanitra, izay nanome fahefana tahaka izany ho an'ny olona. 9 Ary raha niala avy teo Jesosy, dia nahita lehilahy nantsoina hoe Matio Izy, izay nipetraka teo amin'ny lain'ny famorian-ketra. Hoy Izy taminy hoe: "Manaraha Ahy." Nitsangana izy ary nanaraka Azy. 10 Ary raha nipetraka hihinana tao an-trano Jesosy, indro, mpamory hetra sy olona mpanota maro tonga ary niara-nihinana tamin'i Jesosy sy ireo mpianany. 11 Rehefa nahita izany ireo fariseo, dia niteny tamin'ireo mpianany izy ireo hoe: "Nahoana ny mpampianatrareo no miara-mihinana amin'ny mpamory hetra sy ny olona mpanota?" 12 Rehefa nandre izany Jesosy, dia hoy Izy hoe: "Ny olona matanjaka ara-batana dia tsy mila mpitsabo, fa ireo izay marary ihany. 13 Tokony mandeha mianatra ianareo ny dikan'ny hoe: 'Famindram-po no iriako fa tsy sorona.' Fa tonga Aho, tsy hiantso ireo marina hibebaka, fa ireo mpanota." 14 Avy eo nanatona azy ireo mpianatr'i Jaona ka niteny hoe: "Nahoana izahay sy ireo fariseo no mifady hanina matetika, fa ireo mpianatrao kosa tsy mba mifady?" 15 Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Mety alahelo ve ireo havan'ny mpampakatra, raha mbola miaraka eo amin'izy ireo ny mpampakatra? Fa ho avy ny andro hangalana ny mpampakatra eo amin'izy ireo, dia amin'izay izy ireo vao hifady hanina. 16 Tsy misy olona manampina akanjo tonta amin'ny tapa-damba vaovao, fa ny tampina handrovitra ny lamba, ary hisy tritra ratsy lavitra. 17 Tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta. Raha manao izany izy ireo, dia ho triatra ny siny hoditra, ho raraka ny divay ary ho potika ny siny hoditra. Fa kosa, manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra vaovao izy ireo, ary ho voatahiry izy roa." 18 Raha mbola niteny ireo zavatra ireo tamin'izy ireo Jesosy, dia indro, nisy manam-pahefana anankiray tonga ka niankohoka teo aminy. Niteny izy hoe: "Maty izao ankehitriny izao ny zanako vavy, fa tongava ary apetraho eo aminy ny tananao, dia ho velona izy." 19 Avy eo nitsangana Jesosy ary nanaraka azy, dia nanao toy izany koa ireo mpianany. 20 Indro, nisy vehivavy izay efa nandeha rà nandritra ny roa ambin'ny folo taona, nankao aorian'i Jesosy ary nikasika ny moron'akanjony. 21 Fa hoy izy tamin'ny tenany hoe: "Raha mahavoakasika ny lambany fotsiny aho, dia ho sitrana." 22 Fa nitodika Jesosy ka nahita azy, dia niteny hoe: "Ry zanako vavy, mahereza; ny finoanao no nahasitrana anao." Ary sitrana ilay vehivavy nanomboka tamin'io ora io. 23 Rehefa tonga tany amin'ny tranon'ilay manam-pahefana Jesosy, dia nahita ireo mpitsoka sodina sy ireo vahoaka nitabataba be Izy. 24 Dia hoy Izy hoe: "Mandehana, fa tsy maty ilay zazavavy, fa matory izy." Fa nihomehy Azy tamin'ny fanesoana izy ireo. 25 Rehefa navoaka tany ivelany ny vaohaka, dia niditra tao an'efitra Izy ary nandray azy tamin'ny tanana, ary nitsangana ilay zazavavy. 26 Niely nanerana ny faritra rehetra ny vaovao momba izany. 27 Ary raha niala teo Jesosy, dia nisy jamba roa lahy nanaraka Azy. Tsy nitsahatra niantso izy ireo sady niteny hoe: "Mamindrà fo aminay, ry zanak'i Davida!" 28 Rehefa tonga tao an-trano Jesosy, dia nanatona Azy ireo lehilahy jamba. Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Mino ve ianareo fa mahay manao izany Aho?" Dia hoy izy ireo taminy hoe: "Eny, Tompo." 29 Avy eo nokasihan'i Jesosy ny mason'izy ireo ary niteny hoe: "Ho tanteraka aminareo araka ny finoanareo anie izany," 30 ary nahiratra ny mason'izy ireo. Avy eo Jesosy nandidy mafy azy ireo ary niteny hoe: "Aoka mba tsy hisy olona ahafantatra momba izao." 31 Fa nandeha ireo roa lahy ka nampiely ny vaovao momba izany nanerina izany faritra izany. 32 Ary raha nandeha ireo roa lahy, dia indro, nisy lehilahy moana nitoeran'ny demonia noentina teo amin'i Jesosy. 33 Ary rehefa navoaka ilay demonia, dia niteny ilay lehilahy moana. Gaga ny vahoaka ka niteny hoe: "Tsy mbola fahita hatrizay tamin'Isiraely izao!" 34 Fa hoy ireo fariseo hoe: "Tamin'ny fanapahan'ireo demonia, no namoahany ireo demonia." 35 Nandeha nitety ireo tanàn-dehibe sy ireo vohitra rehetra Jesosy. Nanohy nampianatra tany amin'ireo synagogan'izy ireo Izy, nitory ny filazantsaran'ny fanjakana, ary nanasitrana ireo karazan'aretina rehetra sy ireo karazana fahararina rehetra. 36 Rehefa nahita ireo vahoaka Izy, dia nanana fangoraham-po tamin'ireo, satria niahiahy sy kivy izy ireo. Tahaka ny ondry tsy misy mpiandry izy ireo. 37 Dia hoy izy tamin'ireo mpianany hoe: "Betsaka ny vokatra, fa ireo mpiasa no vitsy. 38 Noho izany mivavaha faingana amin'ny Tompon'ny vokatra, mba andefasany mpiasa eny amin'ny vokatrany."