Toko faha 10

1 Nantsoin'i Jesosy niaraka ireo mpianany roa ambin'ny folo ary nanome azy ireo fahefana amin'ireo fanahy maloto, mba handroahana azy ireo, sy hanasitrana ireo karazan'aretina sy karazana faharariana rehetra. 2 Ary ireto avy ny anaran'ireo apostoly roa ambiny folo. Ny voalohany, Simona (izay antsoina ihany koa hoe Petera), ary Andreo rahalahiny; Jakoba zanaka lahin'i Zebede, sy Jaona rahalahiny; 3 Filipo, sy Barteleomy; Tomasy, sy Matio ilay mpanangona hetra; Jakoba zanaka lahin'i Alfeosy, ary Tadeosy; 4 Simona ilay Zelota, ary Jodasy Iskariota, ilay hamadika Azy. 5 Nirahin'i Jesosy izy roa ambiny folo. Nanoro azy ireo Izy ary niteny hoe: "Aza mandeha any amin'ny toerana izay hitoeran'ny Jentilisa ianareo, ary aza miditra amin'ny renivohitr'ireo Samaritana. 6 Fa mandehana kosa any amin'ireo ondry very amin'ny taranak'Isiraely; 7 ka rehefa mandeha ianareo, dia mitoria ary ambarao hoe: 'Efa akaiky ny fahatongavan'ny Fanjakan'ny lanitra.' 8 Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ireo boka, ary roahy ireo demonia. Araka ny nahazoanareo maimaimpoana, dia manomeza ihany koa maimaimpoana. 9 Aza mitondra volamena, volafotsy, na varahina ao amin'ny kitapom-bolanareo. 10 Aza mitondra kitapom-batsy amin'izay alehanareo, na fitafy hafa, na kiraro, na tehina, fa ny mpiasa dia mendrika hahazo ny sakafony. 11 Na inona na inona tanàn-dehibe na tanàna kely hidiranareo, tadiavo izay mendrika ao, ary mitoera ao mandra-pialanareo. 12 Raha vao miditra ao amin'ilay trano ianareo, dia miarahabà ny ao. Raha mendrika ilay trano, dia aoka ny fiadananareo ho tonga ao. 13 Fa raha tsy mendrika kosa izany, dia aoka ny fiadananareo hiverina aminareo. 14 Ho an'ireo izay tsy mandray anareo na tsy mihaino ny teninareo, dia ahintsano ny vovoka amin'ny tongotrareo, rehefa miainga amin'izany trano na tanàn-dehibe izany ianareo. 15 Lazaiko marina aminareo, fa ho moramora kokoa ny an'ny tanin'i Sodoma sy Gomora amin'ny andro fitsarana noho izany tanàn-dehibe izany. 16 Indro, handefa anareo toy ny ondry eo afovoan'ny ambodia Aho, koa hendre tahaka ny menarana ary tsy manan-tsiny tahaka ny voromailala. 17 Mitandrema ny amin'ny olona! Hanolotra anareo eo amin'ny filan-kevitra izy ireo, ary hikapoka anareo ao amin'ny sinagogan'izy ireo. 18 Avy eo dia ho entina manoloana ny governora sy ny mpanjaka ianareo nohon'ny Amiko, mba ho vavolombelona ho azy ireo sy ho an'ireo Jentilisa. 19 Rehefa manolotra anareo izy ireo, dia aza manana ahiahy ny amin'ny hoe ahoana na inona no ho lazainareo, fa homena anareo amin'io ora io izay tokony ho lazaina. 20 Fa tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahin'ilay Rainareo no hiteny ao aminareo. 21 Ny rahalahy dia hanolotra ny rahalahy ho amin'ny fahafatesana, ary ny ray dia ny zanany. Ny zanaka dia hitsangana hanohitra ny ray aman-dreniny ka hahatonga ny fahafatesan'izy ireo. 22 Ho halan'ny olon-drehetra ianareo nohon'ny amin'ny anarako. Fa na iza na iza miharitra hatramin'ny farany, dia ho voavonjy izany olona izany. 23 Rehefa manenjika anareo ao amin'io tanàn-dehibe io izy ireo, dia mandosira any amin'ny manaraka, fa lazaiko marina aminareo, fa tsy hahatapitra ireo tanànan'Israely mialohan'ny hatongavan'ny Zanak'Olona ianareo. 24 Ny mpianatra dia tsy lehibe noho ny mpampianany, na ny mpanompo ho ambony noho ny tompony. 25 Ampy ho an'ny mpianatra raha tonga toy ny mpampianany izy, ary ny mpanompo toy ny tompony. Raha nantsoin'izy ireo hoe Belzeboba ny tompon'ny trano, dia ho ratsy lavitra tahaka ny ahoana ireo anarana hiantson'izy ireo ny isam-piankohonana! 26 Noho izany aza matahotra azy ireo, fa tsy hisy takona izay tsy hiseho, ary zava-miafina izay tsy ho fantatra. 27 Izay lazaiko anareo ao amin'ny haizina, dia teneno amin'ny andro mazava, ary izay bitsibitsika renareo amin'ny sofinareo, dia torio eny ambony tampon-trano. 28 Aza matahotra an'ireo izay mamono ny vatana kanefa tsy afaka mamono ny fanahy. Fa kosa, matahora an'izay afaka mamotika ny fanahy sy ny vatana any amin'ny helo. 29 Moa va tsy vola madinika kely no hamarotana fody roa? Fa tsy mbola misy na iray amin'izy ireo aza mianjera amin'ny tany raha tsy misy ny fahalalan'ny Rainareo. 30 Fa na ny volon-dohanareo aza voaisa avokoa. 31 Aza matahotra. Manan-danja bebe kokoa noho ny fody maro ianareo. 32 Noho izany izay rehetra manaiky Ahy eo anatrehan'ny olona, dia ho ekeko ihany koa eo anatrehan'ny Raiko izay any an-danitra. 33 Fa izay mandà Ahy eo anatrehan'ny olona kosa, dia ho laviko ihany koa eo anatrehan'ny Raiko izay any an-danitra. 34 Aza mieritreritra fa izaho dia tonga hitondra fiadanana eto an-tany. Tsy tonga mba hitondra fiadanana Aho, fa sabatra. 35 Fa tonga aho hanasaraka ny zanaka lahy amin'ny rainy, sy ny zanaka vavy amin'ny reniny, ary ny vinantovavy amin'ny rafozam-baviny. 36 Ireo izay ao an-tokantranony ihany no ho lasa fahavalon'ny olona. 37 Izay tia kokoa ny ray na reny mihoatra Ahy dia tsy mendrika Ahy; ary izay tia kokoa ny zanaka lahy na ny zanaka vavy mihoatra Ahy dia tsy mendrika Ahy. 38 Izay tsy mandray ny hazofijaliany ka manaraka Ahy dia tsy mendrika Ahy. 39 Izay mamonjy ny ainy dia hahavery izany. Fa izay mahavery ny ainy noho ny amiko dia hahita izany. 40 Izay mandray anareo dia mandray Ahy, ary izay mandray Ahy dia mandray ilay naniraka ahy ihany koa. 41 Izay mandray ny mpaminany satria mpaminany izy dia hahazo ny valisoan'ny mpaminany, ary izay mandray ny olo-marina satria olo-marina izy dia hahazo ny valisoan'ny olo-marina. 42 Na iza na iza manome ny iray amin'ireny madinika indrindra ireny, na dia rano mangatsiaka iray kaopy ho sotroina aza, satria izy mpianatra, dia lazaiko marina aminareo fa, tsy ho very ny valisoany."